airtel

Politique

29-avril-2022

Politique

Gaby Vakiniadiana “Ho lafo hatramin’I Madagasikara raha izao no mbola haharitra”

Sample post image

Ho asondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Firy isan-jaton’ny vahoaka Malagasy moa no mpiasam-panjakana,

29-avril-2022

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Gaby Vakiniadiana? Hahazaka ny vidim-piainana hihoatra noho ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ve ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina? Mianton-tena ny sehatra tsy miankina. Iza no hanome vola azy eo sa ahena ny mpiasa dia ho be indray ny tsy an’asa nefa miakatra hatrany ny vidim-piainana? Tsy voafehin’ny fitondram-panjakana ireo mpamongady eto Madagasikara dia ny vazaha sy ny karana. Heverin’ny fitondram-panjakana fa efa fampielezan-kevitra izao fotoana izao dia any amin’ny resaka karama izy no manala vokona. Hiakatra ny vidin-dasantsy, ny saran-dalan’ny taksibe, ny saran-dalan’ny taksy borosy. Tsy vahaolana io fa tsy fantatra hoe zatra mamosavy ve sa zatra mamono olona dia manohy izany an-kolaka? Ny vahaolana amiko dia ny fanomezan-danja ny ariary. Ataovy ny tahirim-bolamena na “banque d’or” fa izany angamba izao any am-paosin’ny mpitondra fanjakana tsirairay avy. Ny hany hitan’ny vahoaka Malagasy dia hoe misy volamena 73,5kg very, misy izao kilao nivoaka ary, izao taonina tary, kaontenera be dia be lasa ary. Tsy misy afa-tsy politikan’ny mpitondra izay mbola manao propagandy no eto, politikan’ny werawera. Mbola mety ho tonga any am-paosin’ny vahoaka Malagasy ve ireo volabe lazain-drizareo fa nentiny avy any sa hanomanana fifidianana 2023? Vola ny tamin’ny Covid 19 fa nankaiza? Nisy fanadihadiana nataon’ny tompom-bola nivoaka nefa tamin’ireny. Ho lafo hatramin’I Madagasikara raha izao fitondrana izao no mbola haharitra sy ho ela eto. Na ny hiteny hoe “Ici, c’est Madagascar!” tsy vitan’ny mpitondra Malagasy. Tsy misy izany demokrasia izany intsony eto fa ny misy dia hoe “Ce sont les demons qui crachent ici!”. Mila vavaka mahery vaika sy fijoroan’olona mahery vaika hanoherana izany, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap