hovaina eto amin’ny firenena ary tena manimba firenena ity fisamborana sy fanagadrana ireo olona tsy mitovy hevitra ity, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriboritany faha 3, Gascar Fenosoa. Saika nanao izany avokoa ny fitondràna nifandimby teto, hoy izy. Ny olona no miova fa ilay fomba fanaovana politika tsy miova. Fomba fanao izay mifanohitra amin’ny soatoavina repoblikanina sy ny demokrasia tanteraka, indrindra fa ny andininy faha 10 ao amin’ny lalàmpanorenena. Tsy voatery ho fikasàna hanohitra sy hanakorontana ny fanjakana foana ny fanehoana ny tsy fitoviam-pijery amin’ny fanjakàna. Izay no atao hoe «demokrasia» ary na olona azo isaina amin’ny ratsan-tànana aza no tsy mitovy hevitra aminao dia zony ny maneho izany. Indrisy fa eto Madagasikara dia zary ataon’ny mpitondra antony hisamborana sy hamoretana ireo manelingelina na mety hanelingelina azy ny fanehoan-kevitra tsy mifanaraka amin’izay tiany atao. Heveriko fa miverin-dàlana isika raha resaka demokrasia no lazaina. Raha ny tantàra dia tany amin’ireo firenena afrikanina nisy fitondràna jadona no nisy fanagadràna tsotra izao noho ny antony amboamboarina ireo mahasahy manohitra ny fitondràna. Tamin’izany fotoana izany dia kevoka ery Madagasikara satria azo lazaina ho nisy «modération» na fifehezana ihany ny mpitondra teto na dia nisy ihany aza fihoaram-pefy. Ankehitriny dia vitsy ireo mahasahy maneho hevitra manakiana ny fanjakàna satria matahotra sao migadra. Na ny gazety aza dia tsy ahitana firy intsony lahatsoratra misy feon-dakolosy hafa noho ny an’ny fanjakàna. Mitsiriritra ireo fanehoan-kevitra malalaka hita amin’ny haino aman-jery any ivelany sisa isika eto Madagasikara. Toy ny any Frantsa ohatra, izay tsy mitsitsy vava mihitsy manakiana an’i Emmanuel Macron ireo mpanohitra azy kanefa dia sady tsy voalaza ho mpanakorontana no tsy voasambotra. Manao ahoana raha aty Madagasikara no misy tahaka ireny? Eo indrindra no iderako an’i Elia Rabevahiny, izay filoha mpitarika ny antoko Otrikafo. Olona tia Tanindrazana, isan’ireo hany sisa mahasahy mijoro maneho hevitra izy rehefa resy lahatra fa tsy mety ho an’i Toliara ny fitrandrahana ny fasimanty ao Ranobe. Tsy idirako izao aloha ny mahakasika iny fa ny fisamborana azy sy ny mpanao gazety kosa dia tsipahiko marindrano. Aoka izay ny fisamborana sy fanagadràna olona tsy mitovy hevitra fa manimba ny demokrasia! Manimba ny endrik’i Madagasikara sy ny fitondràna izany, indrindra fa aty amintsika ny mason’izao tontolo izao ankehitriny. Mitaky ny famoahana azy izao dieny izao tsy misy hatak’andro ny tenako sy ny M.G izay tarihiko. Tsarovy fa ny fanehoan-kevitra an-dalambe no nahazoan’ny filoha Andry Rajoelina fahefana tamin’ny 2009 ary izy tenany no nanokatra sy nitokana ny «Kianjan’ny demokrasia» tamin’izany, izay lasa tantara moa ankehitriny. Mbola fanehoan-kevitra an-dalambe ihany koa, tamin’ny alalan’ny hetsika depiote 73 ny 2018, no naha praiminisitra an’andriamatoa Ntsay Christian sy ny governemanta nanomana ny fifidianana niverenan’ny filoha teo amin’ny fitondràna. Rehefa mitondra dia mila mahazaka sy mahatanty hevitra tsy mitovy, raha tena demokraty marina. Vao maika manaratsy endrika io tetikasa io ny zavatra tahaka izao. Fomba hafa toy ny fifampiresahana atao handresena lahatra ireo mitsipaka ity tetikasa ity fa aza ny ramatahora sy fanaparam-pahefana tahaka izao! Sao mba henoina ihany koa lahy ny ahiahin’izy ireny sao mitombina ihany? Harena iombonana mantsy ny ao Ranobe fa tsy an’ny fanjakàna irery ihany. Fitoniana no ilain’ny firenentsika ankehitriny mba hisian’ny fahamarinan-drano na «stabilité» maharitra ary hanintona mpampiasa vola sy mba hiteraka asa. Tsy Base Toliara irery no mpandraharaha ilaina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija