airtel

Politique

17-août-2021

Politique

Gasy tsy milavo lefona “Ny fitondrana mihitsy no mila manova paikady”

Sample post image

Fanindroany nanova governemanta izay ity fitondrana ity, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Gasy tsy milavo lefona.

17-août-2021

 Tsy mivaha mihitsy ny olana satria tsy ny olona no olana fa tsy tafita amin’ireo minisitra ny iraka tian’ny ao amboniny hampanaovina azy, hoy ny filohan’izy ireo, Jocelyn Rabenilalana. Misy minisitra koa manana tetibola dia misy tsy manana. Mila manova paikady mihitsy ny mpitondra fa na hisolo indray aza ireo afaka 6 volana tsy hiova. Tsy hisy minisitra tsy te hanao ezaka izany fa ilay laharam-pahamehana tsy hitan’izao fitondrana izao no tena olana. Nisy iny hahamehana ara-pahasalamana iny nandalo dia tokony hanova ny laharam-pahamehana ho any amin’ny sosialim-bahoaka manontolo izany izao governemanta izao ary hamerina amin’ny laoniny ireo orinasa mitady ho banky ropotra. Milamina ny sosialy dia milamina isika fa raha tsy milamina io dia mety ho sahirana ity fitondrana ity, hoy hatrany ny GTM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap