airtel

Politique

20-mai-2022

Politique

Gazety boky Demokrasia laharana faha 13 “Nihemotra ny demokrasia eto Madagasikara”

Sample post image

Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.

20-mai-2022

Misy pejy miisa 18 izy ity ary voafintina ao ny fahitana ny raharaham-pirenena ankapobeny eto Madagasikara, hoy ny fanazavana. Nohirahiraina foana tato ho ato ny demokrasia sy ny tany tan-dalana, hoy ny filohan’ny HCDDED, Navony Pierre Lenoble. Nihemotra ny demokrasia eto Madagasikara, hoy izy. Maro no azo lazaina mikasika izany fihemorana izany. Eo ny tsy fahafahan’ny olom-pirenena mivezivezy. Lonilony politika no laroina raharaham-pitsarana dia avy eo migadra ilay olona. Politika efa taloha izany. Izany izao no nahavoa ny zokibe Voninahitsy. Nolazaina fa nanao seky tsy nisy antoka sy nanome basy dahalo. Aoka tsy ho hisy intsony izany. Tsy hoe tsy maty manota rehefa manao politika. Olona efa tany amin’ny taona 2010 tany no lehiben’ny faritra dia izao vao takiana hoe aiza ity sy ity. Antsojay izany. Valifaty politika no tena lasa ataontsika amin’izao ary izay no tena olana eto Madagasikara. Tsy tokony hisy izany satria akaiky fifidianana isika ary nihemotra tsikelikely ny demokrasia eto. Eto misy olona tsy afaka mivezivezy, misy olona itadiavana dosie tany aloha be tany sy hanaovana antsojay, hanaovana valifaty politika. Lasa mifanavakavaka sy tsy mifampatoky isika vokatr’izany rehetra izany. Izany no antony hilazan’ny olona sasany fa mbola tsy firenena I Madagasikara satria mbola tsy mifanalavitra tamin’ny nataon’ireo Viking sy Gaulois tany alohan’I Jesoa Kristy izany fombantsika izany, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap