airtel

Politique

22-mars-2022

Politique

Gérard Ramamimampionona - CFM “Tokony hifampiresaka dieny mbola tsy misy gidragidra”

Sample post image

Lalim-paka be amin’izao fotoana izao ny valanaretina tafiditra anaty fihavanana sy fiarahamonina Malagasy, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona.

22-mars-2022

Na sehatra tokony hampiombona aza vao maika misy ilay aretina mikiky, hoy izy, satria ilay sehatra entintsika mandray azy mihitsy no tena zava-doza. Ireny resaka fikambanana ireny izao, ohatra, mety misy zavatra be dia be ao anatiny. Mety lafiny ara-pitantanana. Misy hoe zanaky ny faritra avy atsy sy avy atsy koa ao ary na ao amin’ny faritra iray aza mbola misy hoe zanaky ny kaominina atsy sy atsy. Lasa mafy be ao an-tsaintsika izay fisarahana izay. Misy tombontsoa iadiana koa anatin’ireny indraindray. Idiran’ny valanaretin’ny politika diso. Misy olona mitady hilalao an’io ara-politika, ohatra, dia eo amin’izay dia hoe tandremo fa isika izao na isika izao. ifandroritan’ny mpanao politika ilay izy dia hampiadiany. Mety misy hevitra tsy mitovy koa ao fa ilay fahaizana miady hevitra no mbola tsy ao anatintsika. Lasa tsy ilay zavatra mampiombona no resahana fa ilay ikendrena tombontsoa manokana sy mampisaraka. Misy viriosy ngezabe noho ny Covid 19 amin’izao dia ilay hanaparitaka satria mamofompofona ny 2023 izay hiatrehana fifidianana maromaro fa tsy filoham-pirenena ihany. Izany no anton’ny ivoizan’ny CFM amin’izao fotoana izao ny fifampiresahana anaty fahamarinana sy fihavanana. Dien’izao fotoana mbola milamindamina izao dia tokony hifampiresaka tsara fa tsy rehefa raikitra ny gidragidra vao hiresaka. Tokony hifampiresaka dieny mbola tsy misy gidragidra fa tsy hoe olona efa mifanao ankolafy sy mifampitsapa hery na ilay manao “rapport de force” vao hiresaka dia ho toy ny any Rosia sy Okrainina hoe ny atsy miresaka, ny atsy mifampidaroka. Tokony hatokana isan-tsokajiny mihitsy aloha ny fifampiresahana hoe ny samy mpanao politika, samy mpitondra fiangonana, samy mpisehatra ara-toekarena dia jerena aloha ny hevitra navoakan’ireo vao miakatra tsikelikely fa tsy hoe tonga dia fihaonambe iraisam-pirenena dia izay be vava ihany no hiteny, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap