airtel

Politique

15-janv-2021

Politique

Gerard Ramamimampionona “Ho avy ny tsiny sy tody ho an’ireo tia tena”

Sample post image

Nifampirary soa isika tamin’ny fiandohan’ity taona ity ka noho izany tokony hifanasoa,

15-janv-2021

 


 hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gerard Ramamimampionona. Izao atao rehetra ka mitondra fampahoriana ny Malagasy dia mifanohitra amin’izany fifampirariana soa izany. Tokony ho hita amin’ny fihetsika sy atao izany. Vao nanomboka anefa ny taona dia efa nisy iny resaka volamena iny. Tsy hiditra amin’ny resaka iraisampirenena aho fa ilay soatoavina Malagasy no tiako tenenina. Ny Malagasy dia ilay hoe soa iombonana ka na valala iray aza ifanapahana. Indraindray misy olona mitady hihinana omby iray sy te handroaka maro ho azy irery anefa. Izay ilay hoe tantely afa-drakotra izay hiantsoako ny feon’ny fiheritreretan’ny rehetra hoe harena be iray i Madagasikara fa mahantra ny malagasy. Tsy hisy ny filaminana raha mbola misy ny elanelana satria misy ilay tonga dia mandroaka voalaza teo. Ny eto anefa tsy manana ho raofina afa-tsy fako. Mahatonga elanelana sy lonilonim-piarahamonina izany fa tsy fihavanana ary ho avy ny tsiny sy tody ho an’ireo tia tena mampahory vahoaka, hoy hatrany izy, ka aoka isika manomboka izao hisitraka miaraka ny harem-pirenena rah ate handroso.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap