airtel

Politique

16-déc-2022

Politique

Gérard Ramamimampionona “Mila filaminana fa miady mafy ny Malagasy”

Sample post image

Hita ho somary mikorontandrotana isika malagasy izao, raha ny fiainam-pirenena no resahana, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny CFM teo aloha,

16-déc-2022

Gérard Ramamimampionona. Hita izany na eny amin’ny fiarahamonintsika sy eny an-tsena eny, hoy izy. Na ny anivon’ny fianakaviana aza lasa mikorontana tsy afaka mifampihaino, tsy afaka mifampatoky, tsy afaka hifandefitra, tsy afaka hifampiresaka marina. Lasa fiainantsika isan-tsehatra sy ambaratongany izany rehetra izany. Ilaina, noho izany, ny toetsaina sy toe-pon’ny olona tsirairay mihitsy mba handala izany fifanajana sy fifampatokisana izany. Mila apetraka ny andraikitra isan-tsokajiny. Raim-pianakaviana ianao, tompona orinasa, mpivarotra, solombavambahoaka, governora, mpanao politika na inona. Mba tia izany filaminana izany ve ny toetsainao? Samy mitodika mankany amin’ny tombontsoam-pirenena ve? Rehefa hikendrena hahasoa firenena ny fahefana dia milamina io. Fifandonana kosa no ateraky ny samy fikendrena tombontsoa manokana ary lasa misy kajikajy sy tsy fifampitokisana. Mila filaminana fa efa miady mafy ny malagasy. Lalan-diso izany hoe anaty korontana izany no handaminan-javatra na ny hoe isavorovoroan-kilatoana. Rehefa mipetraka ny fifanajana, fahamarinana, filaminana dia afaka manatontosa fifidianana isika fa raha tsy izay dia na ny demokrasia aza hampihorohoro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap