airtel

Politique

10-juin-2021

Politique

Gerard Ramamimampionona “Mila manangana politika ho antsika isika”

Sample post image

Anaty volana jona isika ankehitriny, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy.

10-juin-2021

 

 

 Sady fetim-pirenena no 1 volan’ny teny Malagasy. Mandeha koa izao ny resaka lalàna momba ny zom-pirenena. Mila saro-piaro amin’ny maha Malagasy antsika isika, hoy izy. Eo ny toerana fa zava-dehibe koa ny olombelona, indrindra, ilay toe-tsaina sy soatoavina. Voaharontsika ve ny tany sy teny ary tena Malagasy? Tena izany fisiana mpanohitra sy mpomba izany ve no politika naha Malagasy ny Malagasy? Raha tena te hanaja ny soatoavina Malagasy isika dia tsy fanao ny manao valala an-karona. Mila manangana politika vaovao isika, politika misy fanahy Malagasy. Ny toetsaina sy toe-po nenti-nandray ny atao hoe politika teto mihitsy no olona satria mandray be fahatany ny avy any ivelany. Ny toetsaina Malagasy dia mifampihaino sy mifampihera na teny ierana. Samy manana ny heviny fa mahay mifameno sy mifampihaino. Misy ny demokrasia amerikanina dia misy ny frantsay fa inona no antsika? Maka tahaka an’ireo. Izany ronono an-tavy na “démagogie” izany an-drizareo avy vahiny ary taorian’ny fanjanahantany vao tonga teto. Ny antsika fihavanana sy fifampitsinjovana ary masina ny teny. Anaty fanatontoloana isika no miresaka izany ka ohatran’izany koa ilay resaka zom-pirenena. Mila jerena miandalana sy arakaraky ny zava-misy io, hoy hatrany ny tenany.


J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap