airtel

Politique

18-mai-2022

Politique

Gérard Ramamimampionona “Mila sorohana ny savorovoro”

Sample post image

Rehefa akaiky, anatiny, aorian’ny fifidianana dia misavorovoro foana ny firenentsika, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (CFM), Gérard Ramamimampionona.

18-mai-2022

Misy lafiny maha ratsy sy maha tsara azy io, hoy izy. Mila sorohana ny savorovoro. Ny fandraisan’ny rehetra andraikitra no fisorohana. Eo koa ny fanajana tsara ny lamina sy lalana velona. Aoka tsy ho fitaovana entina hanakorontanana ny politika! Ny filaminana no kendrena eo amin’ny tany sy ny firenena na aiza na aiza. Tsy ny mpitandro filaminana ihany fa ny teny sy hetsika ataonao ve hitarika filaminana? Dia ny mbola aty aloha be aty, izay tompon’andraikitra tokony hifampiresaka, na ny ao an-toerana na ny hanao hetsika sy ny eo amin’ny fiantohana ny filaminana dia zava-dehibe ny fifanankalozan-kevitra. Apetrao amin’ny tena maha politika azy ny politika! Zava-doza io raha atao fitadiavam-pahefana fotsiny. Raha sanatria efa misy manao propagandy tokoa, ifanarahana ve izany ? Tsy tokony ifankatahotra isika raha samy manao ny marina. Ny fahafahana akory tsy ahafahana miteny izay tiana tenenina na manao ny tiana atao. Misy fetrany izany rehetra izany. Miantso ny vahoaka ho tony ny CFM fa miantso ny mpanao politika hanabe vahoaka mba ho olon’ny fitoniana koa ny mpanao politika rehetra. Mila maka lesona isika hoe nahasoa antsika ve ny 1947, 1972, 1991, 2002, 2009 ? Ho sahirana eo indray isika raha sanatria mbola hiditra amin’izany. Hatramin’izay fifidianana nisy teto dia tsy nifandanja foana ny herijika. Izany ilay tokony hifampiresahana sy hifanatonana ny rehetra hoe inona no atao tsy isian’izany intsony ? Ny mpanohitra tokony hanaja fanjakana ary ny anaty fanjakana tsy tokony hanilika mpanohitra satria isan’ny vahoaka entiny ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap