Tsy azo tsy amin’ny alalan’ny fihavanana izany fiadanana izany, hoy izy. Teo moa ilay hoe resaka tontolo politika sy filaminana dia hoy aho hoe mankahery ireo fianakaviana niharan’ny voina tao Toliara ary mirary fiononana be dia be ho azy. Antso voalohany ataoko amintsika ny hoe apetraho amin’ny toerana tokony hisy azy ny atao hoe politika. Fandaminana sy fampandrosoana fiarahamonina iray ihany angamba no atao hoe politika. Tsy azo heverina ho politika ny herisetra na amin’ny lafiny ahoana na ahoana. Amin’izao vaninandro izao isika dia miheritreritra raha misy aretina hoe COVID daholo. Mikohoka ny olona dia hoe COVID, voan’ny sery COVID, mivalana COVID. Eto koa aho dia miantso indraindray hoe sao heverintsika fa hetsika politika daholo ny hetsika rehetra eto amin’ny firenena? Tsy politika ny fampiasana herisetra ary raha sanatria nisy izany zavatra izany dia ahitsio fa tena mba tsy mety! Tsy ho tafavoaka mihitsy isika raha fanasoketana sy valifaty foana no ataontsika politika. Aleo apetraka amin’ny hasiny sy ny toerana tena izy azy ny politika dia ny hoe hevitra sy lamina ary asa ho fandaminana hampandrosoana ny fiarahamonina. Aoka ialana, atsahatra ity fanaovana ny politika ho fampiasana herisetra amin’ny lafiny maro ity. Ny politika marina dia aorina ao anaty fahamarinana ka mampilamina sy mampandroso. Mila toetsaina mandray andraikitra anaty fitiavan-tanindrazana sy fikatsahana ny soa iombonana izany ka samy mandray izay manandrify azy ho fampanjakana ny marina. Ny marina no mahafaka ny firenentsika, hoy hatrany ny CFM.
J. Mirija
Legende: Ny filoha lefitry ny CFM Atoa Gérard Ramamimampionona
Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.
Mangingina tsy re feo firy indray ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Tsy dia hita tabilao firy, ary efa matetika io.
Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.
Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo
Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,
Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.