airtel

Politique

31-août-2022

Politique

Gérard Ramamimampionona “Sanatria hifampifahavalo ve isika Malagasy ?”

Sample post image

Miondrika manoloana ireo havantsika namoy aina any Ikongo ary mirary fiononana ho an’ny fianakaviany no mirary fahasitranana tanteraka ihany koa ho an’ireo maratra,

31-août-2022

hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, Gérard Ramamimampionona. Efa lasa miverimberina ny zava-misy, hoy izy, fa tsy manana ny tena soatoavina fototra maha malagasy izany isika. Ny soatoavina malagasy dia nanahirana na ny hamono akoho aza. Betsaka ny olona fady mandatsa-dra. Fanajana ny aina izany. Izany fivoizana sy fanabeazana amin’izany soatoavina ary fifampifehezan’ny mpiara-monina izany dia ahafahany manaraka lalana. Misy fanabeazana tokony atao amin’ny vahoaka fa misy koa fanabeazana tokony atao amin’ireo tomponandraikitra koa hoe na inona na inona mitranga dia zava-doza foana ny fampiasan-kery fa zava-dehibe ny fifampiresahana. Tsy azo soloina ny aina fa rehefa lasa dia lasa. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy isika malagasy, ka izay fananam-panahin’ny mpitondra mba hiheritreritra ny tokony atao izay koa tena ilaina. Hitambatra ho amin’inona isika vahoaka malagasy? Raha hampiasa fitaovam-piadiana ny mpitandro filaminana, hitambatra ho an’ny fahavalo ve sa sanatria hifampifahavalo ve isika malagasy, hoy hatrany izy ?
J. Mirija 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap