airtel

Politique

16-févr-2021

Politique

Gilbert Raharizatovo “Tsy misy afaka hiaro tombotsoa mandrakizay izany”

Sample post image

Miverina ny tantara isaky ny 16 taona na 20 taona eo na mbola tsy azo sokajiana hoe fihetseham-bahoaka aza io miseho io hatreto,

16-févr-2021

 hoy Atoa Gilbert Raharizatovo alina tao amin’ny fahitalavitra Real TV Madagascar. Ny Filoha lefitry ny CENI no ohatran’ny nampiahaka teo ambony latabatry ny CENI ny raharaha “doublon”. Efa tonga teto ny mpanara-maso iraisam-pirenena, ary ny SADC sisa nandrasana, saingy avotra ny Mpitondra. Niainga tamin’ny “doublon” ny fihetsehana. Misy vondron’olona toy ny Fanjakana iray mifehy Fanjakana miaro tombotsoa mametraka mpitondra eto. Tsy hisy hihazona tombotsoa mandrakizay, fa tsy maintsy mipoaka io na hoe ela na ho haingana, ka mila mijery ny firenena amin’izay. Momba ny mpitondra ankehitriny na ny hafa kosa aza, dia betsaka ny fampanantenana nalefa tamin’ny propagandy, nilaza tsy mila ny mpamatsy vola mahazatra. Manana olana satria ilay fanatanterahana ilay tetikasa raha ny fahazoako azy ilay IEM, dia tsy nandeha tamin’ny mpamatsy vola mahazatra, fa mpamatsy vola tsy miankina. Mila fitoniana tanteraka politika, miaramila,… anefa ny olona vao miditra amin’izany. Vao nipetraka teo anefa ny Filoha Rajoelina vao saika hanao ny tanàna vaovao teny Ambohitrimanjaka, dia efa tratry ny fanoherana. Misy tsy makany amin’ny fiainam-bahoaka ny fampanantenana, toy ny hoe andao isika hanao Miami, andao hamboly artemesia fa tsara noho ny vary. Misy zavatra 3 tsy azo kitihina rehefa mitondra eto Madagasikara: vary, omby, tanindrazana ka aza mikitika an’izany fa miongana, hoy Atoa Gilbert Raharizatovo. Ny tsy fahalalana ny tantara, ny tsy fahalalana an’I Madagasikara no isan’ny mampanaonao foana. Nofoanana ny “college” sy “lycée agricole”, kanefa i Madagasikara lazaina fa “à vocation agricole”, ho sompitry ny ranomasina Indianina. Mbola any anaty sakafo aloha no resaka, mianatra ny zanany, mahatsabo ny fianakaviany izy, fa tsy tonga dia “bulding” miezinezina, hoy izy

 

 

 

 Io ady lava io mitohy, valifaty io, raha vao misy tombotsoa arovana, zavatra tsy tiana hivoaka, dia raikitra ny valifaty. Isika ve tsy manana fandihina kely fotsiny, fa tsy ilaina intsony ny miady. Izany no ilàna ireo Raiamandreny. Mba hanajan’ny hafa antsika dia aleo omena hasina ny kolontsaina sy ireo Raiamandreny, hoy ny teny fampisainana nataony.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap