Nisy ny fivoriana nataona solombavambahoaka tany amin’ny depiote MAPAR iray eto an-drenivohitra, raha ny loharanom-baovao. Miisa teo amin' ny 86 teo ho eo ireo izy ireo no tonga teny, ka nahitana IRD 70, TIM 10, GPR 6, raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy. Io depiote MAPAR io sy depiote iray avy amin’ny GPR no nitarika ny fivoriana. Votoatin’ny fivoriana ny mikasika ny toetra sy ny fihetsika nataon' ireo Minisitra ao anatin'ny governemanta. Nilaza izy ireo fa tsy voafehin'ny Praiministra (PM) Ntsay Christian intsony ny ankamaroan' ireo Minisitra eo ambany fiadidiany mivantana. Anisan' izany ny Minisitry ny Fitsarana, Fampianarana Ambaratonga Ambony, Minisitry ny Varotra, Minisitry ny fahasalamana, Minisitry ny Mponina, ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimaria izay tondroin’izy ireo ho mandrahona olom-boafidy matetika rehefa miteny toy ny hoe "Azonay zandary samborina!", Dondrona!,... Manambany depiote sy loholona io teny io, hoy ny resaka mivoaka. Eo ihany koa ny Minisitry ny Fitaterana, ny Minisitry ny Fanabeazana Ambaratonga voalohany, ny minisitry ny harena An-kibon' ny tany,... Mety ho tafiditra ao anatiny ihany koa ny Minisitra sasany tsy dia hita tabilao toy ny Minisitry ny Angovo Atoa Christian Ramarolahy. Voasokajy ho sarotra kitihina ny Minisitry ny serasera, minisitry ny harena an-kibon’ny tany, minisitry ny vola, minisitry ny fanatanjahantena. Mila misolo ny 80 %- n' ireo ministra ireo raha ny tapaky ny fivorian' ireo depiote tonga nivory tao, hoy ny loharanom-baovao. Noho izany rehefa tsy hamoaka fanambarana fanovana Governemanta ao anatin' ny 72 ora nanomboka omaly (zoma) tao anatin' ny fivoriana ny filoha Andry Rajoelina dia hanao “Motion de Censure” na fitsipaham-pitokisana avy hatrany izy ireo satria efa tratra ny “quorum” azahoan' izy ireo manao izany, hoy io loharanom-baovao io. Raha ny loharanom-baovao hafa kosa, dia mpikambana 10 ao anatin’ny governemanta no hosoloina, ka tafiditra ao anatin’izany ny Praiminisitra, izany hoe minisitra 9 no mety hoesorina. Amin’ny zoma izao ny fotoana raha ny loharanom-baovao avy any an-dapa, saingy andrasana aloha izay tena hiseho. Mafampana ny toe-draharaha, ary samy miketrika sy manao ny kajikajy ny etamazaoro politika samihafa.
HO GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA ?
Malaza be hoe governemantan'ny fisokafana ny ho avy eo, saingy andrasana izay ho fisehony. Efa tokony ny 10 jolay no nivoaka ny fanovana, saingy mbola alaina ambony alaina ambany angamba. Ny toeran’ny Praiminisitra dia malaza ho tsara toerana Atoa Valery Monjavelo Sekretera Jeneralin’ny Prezidansa sy Atoa José Vianey kanefa dia tsy hay izay zavatra tsy ampoizina hitranga amin’ny ora farany.
Toky R
Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.
Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,
Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany
Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny