airtel

Politique

13-janv-2021

Politique

Governemanta Ho soloina ny praiminisitra ?

Sample post image

Navoakan’ny fampahalalam-baovao an-tranokala Africa Intelligence omaly, fa

13-janv-2021

 

 

 

Navoakan’ny fampahalalam-baovao an-tranokala Africa Intelligence omaly, fa mikaro-kevitra mafy ny hitadiavana izay ho solon’ny Praiminisitra am-perinasa Ntsay Christian ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary mandamindamina ny fanovana mpikamban’ny governemanta any ho an’ny amin’ny faran’ny volana janoary. Voalaza fa tsy mankasitraka ny hanoloana azy olona avy eto Imerina ny avy amin’ny moron-tsiraka. Nambaran’io fampahalalam-baovao io, fa efa marefo ny fifandraisana sy ny fifampatokisana eo amin’Atoa Andry Rajoelina amin’Atoa Ntsay Christian izay efa Praiminisitry ny marimarimaritra iraisana tamin’ny fiafaran’ny fitantanan’i Hery Rajaonarimampianina, ary efa te hiala amin’ny toerany ny Praiminisitra ankehitriny, hoy hatrany ny Africa Intelligence. Nanomboka ny desambra no efa nisy ny fakan-kevitra tamin’ireo vondrona manana tanjaka eto amin’ny firenena. Voalaza fa efa nisy ny fampanatsoana ny olobe avy eto avy any amin’ny sisiny sy eto afovoan-tany, ny fiangonana Katolika nosoloin’ny Arsevekan’Antananarivo Odon Razanakolona tena,… Voalaza fa efa nangataka tolo-kevitra momba ny anarana hasolo an’Atoa Ntsay Christian ny Filoha. Voatonona ao anatin’io Atoa Raymond Ranjeva sy Atoa Paul Rafanoharana, ity izay mpianatra fahiny tany amin’ny Saint-Cyr, nandalo tao amin’ny zandarimariam-pirenena Frantsay, ary mpanolontsaina ara-diplaomatikan’i Andry Rajoelina fony izy Filohan’ny HAT. Voalaza fa tsy nohamaivanin’i Andry Rajoelina ny tolo-kevitra momba azy. Eo ihany koa ny mpitsara iraisam-pirenena teo aloha Atoa Raymond Ranjeva, izay Filohan’ny Akademia Malagasy amin’izao, ary isan’ireo tao anatin’ny Kaomisionina momba ny Nosy Eparsa. Voalaza fa tsy ankatoavin’ny any amin’ny sisiny ity farany amin’ny maha Merina mitovy amin’ny Filoha azy. Andrasana izay ho tohiny, fa ny fanehoan-kevitry ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga ny alatsinainy teo, dia naneho fa misy ny mpikamban’ny governemanta nahavita, nisy ny tsy ampy, ary nisy tsy nahavita, izay azo adika fa mety tsy azo ihodivirana ny fanovana.Maro ny vina sy tombana fa ny filoham-pirenena irery ihany no tompon’ny teny farany na hotazonina amin’ny toerany, na hosoloina ny praiminsitra.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap