airtel

Politique

07-janv-2021

Politique

Governemanta Iza no hisaorana ?

Sample post image

Hisy ny fikitihana na fanovana ny mpikamban’ny governemanta sasany, raha ritsoka mivoaka avy any an-dapa any.

07-janv-2021

 

 

 Any amin’ny Filoham-pirenena ny baolina, fa raha ny nambarany ny talata teo, dia amin’ity volana janoary ity no hanolorana ny drafi-pampandrosoana PEM. Ny faramparan’ny desambra teo no nilazana fa nohalavaina ny fe-potoana ahafahan’izy ireo manolotra ny drafitra avy aminy avy. Tamin’io no efa nisy resaka nivoaka, fa misy tsy dia maharesy lahatra ny Filoha. Ho feno herintaona katroka ny 27 janoary izao ny governemanta amin’ny endriny ankehitriny, ankoatra ireo minisitra vitsy nampidirina sy nosoloina tao anatin’ny fihibohana. Ny fifanarahana “contrat-programme” no nambara tamin’izany fa mitohy, ary hitsarana ireo minisitra. Toa lasa miova ho ny fanolorana ny PEM izany aty aoriana. Ao anatin’izao toe-draharaha mafana izao, dia mety ho tafiditra ao anatin’ny kajy politika ny fanovana mpikamban’ny governemanta. Toa niperaka ho olana ho an’ny Fanjakana ihany koa ny tsy fahaiza-nandrindra ny teknika sy ny politika, izay tokony hiaraka foana ao anaty fitantanana ny firenena. Ireo ekipa nahatsiaro ho nametraka ny Fitondrana mahatsapa ho nailika, ary efa misy ny nimonimonina, kanefa ireo governemanta teknisianina tsy nahatafavoaka baolina tamin’ny ankampobeny. Asa iza no hisaorana ary iza no hotazonina, fa mamofompofona fanovana any an-dapa any?

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap