airtel

Politique

04-déc-2020

Politique

Governemanta Misy minisitra midororororo ?

Sample post image

Tokony haneho ny firaisankiana amin` ny fiarovana ny ezaka sy ny fanamby apetrakin` ny

04-déc-2020

 

 

 fitondram-panjakana ny mpikambana eo anivon` ny governemanta raha ny tatitra nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo. Manome herinandro 5 ho an’ ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny Filoham-pirenena hahafahan` izy ireo maneho ny fahavonony amin`ny fanatanterahana ny fandaharanasa sy ny programanasam-pampandrosoana voarafitra ao anatin` ny fifanarahan` ny telo tonta (minisitra, praiminisitra ary ny Filoham-pirenena). Tsikaritra anefa tato ho ato fa misy minisitra sasantsasany mialokaloka ao anatina hevitra hafa izay tsy maneho izay firaisankiana hiaraka hifanohana amin` ny Filoha Rajoelina izay. Nanambara moa ny mpitondra tenin` ny governemanta, Lalatiana Andritongarivo, fa ankoatra ny maha teknisianina ny minisitra dia tokony manana izay fahavononana ara-politika izay tokoa ny mpikambana rehetra amin` ny fanatratrarana izay tanjona ho an` ny fampandrosoana izay. “Tokony manana ilay satroka mpanao politika ireo minisitra mba tsy ny Filohan` ny Repoblika, ny praiministra, ny minisitry ny serasera ihany no hiaro ny fitondram-panjakana amin` ny zava-bita na ny ezaka ataon` ny fitondram-panjakana. Izy ireo ihany koa dia tokony mamaly ireo tsikera ara-politika”, hoy ny minisitry ny serasera. Takian` ny vahoaka Malagasy ny ezaka sy fanamby napetrakin` ireo minisitra ka izay no anton` ny tsy maintsy hanehoana izay firaisankiana izay.

Marigny A.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap