airtel

Politique

14-févr-2022

Politique

Governemanta Niala i Imbiki Herilaza, ahoana ny tohiny ?

Sample post image

Ny 11 febroary 2022 no nanome ny taratasy fametram-pialany ny minisitry ny fitsarana Imbiki Herilaza , araka ny didim-panjakana 2022-227;

14-févr-2022

izay izany no antony efa tsy nanatrehany intsony ny filankevitry ny governemanta ny ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alakamisy lasa teo, araka ny efa notaterina teto ihany.Tsy nahatohitra ny fanakianana nahazo azy ity minisitra ity, ary mazava be izao fa tsy naharesy lahatra ny lehibeny dia ny praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika ihany koa izy tamin’izay mety fanazavana efa nataony.Efa nekena ny fametram-pialany araka ny fanambaran’ny fiadidiana ny repoblika ka ny minisitry ny asa, fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Rtoa Ranampy Gisèle no mpisolo toerana vonjimaika azy mandra-panendry izay ho minisitry ny fitsarana vaovao.
HANDEHA VE NY FANADIHADIANA ?
Mipetraka ny fanontaniana : inona ary no ho tohiny ? Raha nisy marina ny ahiahina kolikoly na fanaparam-pahefana ny ny mitovitovy amin’izany , mby aiza ho aiza ny fanadihadiana.Efa eo ny rafitra toa ny Bianco, PAC ary ny fitsarana ambony afaka manadihady sy mitsara fa moa ve ho tanteraka izany sa mmangiana ho azy eny to any raharaha “bonbon sucette” tao amin’ny ministeran’ny fanabeazana sy ny resaka “écran plat” nahavoatonotonona ny minisitry ny atitany taloha.Efa tamin’ny taona 2020 mantsy ireny raharaha ireny saingy febroary 2022 ihany izao fa tsy hita izay hoe fandrosoan’ny fanadihadiana na dia efa mazava be aza ny porofo ara-taratasy sy ara-materialy.Na inona na inona ambara sy resahana anefa dia tsy maintsy misy foana ny mpiara-miasa, na mpiray tsikombakomba rehefa misy raharaha hafahafa.Izay no maha zava-dehibe ny tsy maintsy hanaovana fanadihadiana lalina fa tsy hoe Imbiki Herilaza no nosoketaina dia ahilika any amina daholo nny rihitra sy ny ratsy rehetra. Manao randra-tarihina ihany koa anefa ity raharaha ity satria manomboka mipitika any amin’ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto na « Toto » ny rihitra, misy manonona ny anarany amina raharaha tsy dia mazava loatra; ary misy resaka volabe koa ilay izy. Ary na ireo olona akaiky ny fitondrana aza diia manomboka misy efa milaza fa manampahefana maro no mety ho sahirana raha tena atao ny fanadihadiana amina sehatra maro misy eto.
RTT
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap