airtel

Politique

29-oct-2025

Governemanta politika, stratejika, tanora,…

Mila vokatra anatin’ny 60 andro! Hanenjana amin’ny kolikoly

Sample post image

Tafatsangana omaly 28 oktobra 2025 ny governemanta

29-oct-2025

tarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Ahitana mpikambana 29, tsy niova firy amin’ny endriky ny governemanta hatramin’izay na nisy fikitihana kely aza. Governemanta rafetin’ny mpanao politika sy teknisianina. Ahitana ireo antoko sy herivelona avy amin’ny fanoherana teo aloha, toy ny TIM, HVM, MMM, Mouvement Gascar,… Voatendry ho minisi-panjakana eo anivon’ny Repoblika misahana ny fanavaozana Rtoa : RAZAFIMANANTSOA Hanitra ; Foloalindahy : Général de Division RAZAFITOMBO Maminirina Ely ; raharaham-bahiny : RAZANAMAHASOA Christine Harijaonina ; Fitsarana : ERINAIVO Fanirisoa ; Atitany : RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray : Toekarena sy fitantanam-bola : Dr RAMIARISON Herinjatovo Aimé ; Fanajariana ny tany: Général de Division LYLISON René de Rolland Urbain ; Filaminam-bahoaka : Inspecteur de police ERICK MICHEL IDRISSA ; Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira ; Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa : Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ; Fanabeazam-pirenena : HANITRINIAINA Elis Karena ; Fampianarana ara-teknika sy ny Fampiofanana Arak’asa : TSILEFA Antoni ; Fambolena sy ny Fiompiana : RASATARIMANANA José Nirina ; Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina : RASOARAHONA Andriniaiana. Varotra sy ny Fanjifana : ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle ; Asa sy fampananan’asa : FLORENT Soatiana Bety Léonne ; Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro : RAHARISONE Juste ; Angovo sy ny Akoranafo : RALITERA Ny Ando Jurice ; Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika : ANDRIAMPARANY Carl ; Asa Vaventy : RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob ; Jono sy ny Toe-karena Manga : CHAN KIT WAYE Jacob ; Tontolo iainana : MANESIMANANA Rafanomezantsoa Michaël ; Fizahantany sy ny Asa-tànana VOLOLONIAINA Lucie ; Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana : Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Elia ; Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, Paositra sy ny Fifandraisan-davitra: ANDRIAMAMPIADANA Mahefa ; Mponina sy ny Firaisankina : RAHARINIRINA Sidonie ; Tanora sy fanatanjahantena : RASAMBANY Alain Desiré ; Serasera sy kolontsaina : GASCAR Fenosoa ; Minisitra Delege miadidy ny Zandarmariam-pirenena : Général de Division BAMA MARIMA.

GOVERNEMANTA STRATEJIKA
Maro kokoa ny teknisianina na tsy dia fantatra tamin’ny tontolo politika, raha saika tsy dia zoviana firy kosa ireo avy amin’ny Antoko politika na mpanao politika izay misy ireo mitazona toerana stratejika sy minisiteran’ny fiandrianam-pirenena toa an-dRtoa Christine Razanamahasoa ; Hanitra Razafimanantsoa ; Fanirisoa Ernaivo. Stratejika be eo amin’ny lafiny fanavaozana tiana hapetraka, fanadiovana ny firenena, ny tontolon’ny diplaomasia ireo. Somary teknisianina kokoa ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Dr Ramiarison Herinjatovo izay tsy zoviana amin’ny tontolon’ny toekarena. Isan’ny tena iankinan’ny aim-pirenena ihany koa indrindra eo amin’ny mety ho olana ara-bola mahazo ny Firenena. Ny foloalindahy moa mazava ho azy fa olona avy ao anatin’ny tafika ihany. Sehatra heverina fa stratejika na tsy minisiteran’ny fiandrianam-pirenena aza ny angovo sy akoran’afo izay mafimafy ihany koa ny miandry ny Minisitra vaovao Ralitera Ny Ando Jurice satria isan’ny niaingan’ny tolom-bahoaka io. Tahaka izany ihany koa ny indostria sy ny varotra izay stratejika amin’ny lafiny sosialy, vidim-piainana. Ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana ambony eo anatrehan’ny olana samihafa sedraina, ny fitotonganan’ny fampianarana, ny fanajariana ny tany, ny fambolena sy fiompiana izay fanamby lehibe ho an’i Madagasikara, y haitao ara-kajy mirindra izay sehatra isan'ny hahafahana fanamby lehibe amin'izao vaninandro izao eo amin'ny lafiny eknonomia nomerika,… Tanora mpanao politika isan’ny mandrafitra ny governemanta ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Rasambany Alain Désiré, ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera Gascar Fenosoa,… Isan’ny niaingan’ny tolona ny Minisitry ny asa tànana sy fizahantany Vololoniaina Lucie na Lylie Rafaralahy. Loholona no lasa nandrafitra ny governemanta Rtoa Raharinirina Sidonie,…

MITAKY VOKATRA HAINGANA
Hentitra ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly nilaza fa takiana ho hita soritra ao anatin’ny 2 volana raha ela indrindratra ny vokatry ny fahatanterahan’ny politikam-panjakana, ka ny tsy fahantanterahana sy tsy fisiana vokatra dia midika tsy fahombiazana, mitondra makany amin’ny fanovana ny Mpikamban’ny governemanta. Hanadio ny Firenena manoloana ny kolikoly, ary tsy handefitra amin’ireo fanetriben’ny Firenena. Omaly ihany dia efa niroso tamin’ny Filankevitry ny minisitra voalohany, manamarika ny fanombohan’ny asa iombonan’ny governemanta vaovao, ho fampiharana ny toromarika sy ny vina napetraka ho an’ny fanarenana haingana sy fampandrosoana ny firenena. Mitaky fananganana fanjakana marina, mahomby ary manompo ny vahoaka amin’ireo Minisitra. Mila mitondra vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka rehetra atao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ary ny farany kosa, dia ny fametrahana fitantanana vaovao mampiaina ny fahitsiana sy ny fahendrena, ny fahamatorana sy ny fahaiza-manao, ary ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara. Namafisin’ny Praiminisitra, fa ny asa izay hotanterahina dia dingana mizotra mankany amin’ny lala-mazava hitarika any amin’ny fanavaozana marina, ao anatin’ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana, izay soatoavina fototra miisa telo efa nosoritany hananganana indray an’i Madagasikara. Ao amin’ny fahamatorana sy ny asa iombonana hoy izy, no hananganantsika indray ny hasin’ny firenena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap