airtel

Politique

30-juin-2021

Politique

Governemanta sy depiote Nahemotra ny “face à face”

Sample post image

Tsy raikitra tamin’ny ora farany ny fifanatrehan’ny avy eo anivon’ny governemanta sy ny depiote izay tokony notontosaina anio teny amin’ny CCI Ivato.

30-juin-2021

 Antony, raha ny fanazavan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, dia noho ny fisian’ny filankevitry ny minisitra efa tapaka fa tanterahana isaky ny alarobia. Rahampitso alakamisy indray, noho izany, raha toa ka tsy misy intsony ny fiovana, no fotoana ifanomezan’ny governemanta sy depiote amin’ity “face à face” manaraka ity. Heverina fa ho maro ny lahadinika tokony hifanatrehan’ny roa tonta manoloana ny fizotry ny fiainam-pirenena ankehitriny saingy ny andrasan’ny maro, indrindra, ireo mpanara-baovao aloha dia ny mikasika ny fitantanana ny tetibolam-panjakana ho an’ity taom-piasana ity. Isany mampametra-panontaniana ihany ny hoe tsy efa tokony omanina ela ve ny fisian’izany fifanatrehana eo amin’ny fahefana mpanao lalana sy mpanatanteraka izany? Zava-dehibe noho ny fifanatrehana amin’ny solombavambahoaka, izay heverina ho solontenam-bahoaka, ve ny fifanatrehan’ny samy fahefana mpanatanteraka, indrindra, ao anatin’izao toe-draharaha ilana ny filan’ny eny ifotony izao ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap