airtel

Politique

24-mars-2022

Politique

Governemanta Takalon'ny toeran'i Lalatiana ny fialan'ny vadiny ?

Sample post image

Ofisialy ny tsy maha Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoron’afo I Andry Andriantongarivo vadin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy,

24-mars-2022

 araka ny tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra omaly alarobia 23 martsa 2022. Omaly atoandro, dia efa niparitaka ny fanambarana nataony nilaza fa nangataka ny hiala. “Araka ny fifampiresahana nataoko nandritra ny fihaonako tamin’Atoa Filoham-pirenena herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nizara taminy aho ny faniriako hiala amin’ny andraikitra maha Sekretera jeneraly izay nosahaniko nanomboka ny febroary 2020. Koa ankehitriny dia ateriko etoana ny fisaorana azy nametraka fahatokisana tamiko nandritra ny roa taona”. Efa 3 herinandro kosa no fantatra io fisintahany na koa azo adika ho fanaisorana io, raha ny loharanom-baovao azo antoka, ary ny Filankevitry ny minisitra no nampanan-kery azy. Tsy tongatonga ho azy, ary sarotra sy tsy fahita firy eto amintsika izany tompon’andraikitra ambony hametra-pialana izany raha tsy misy ny olana goavana na tsindry ambony dia ambony, saingy any amin’ny serasera sy ny fomba hanehoana azy sisa amboamboarina. Tena faniriana tokoa ve ilay hoe: hiala? Hatry ny ela no nifanao sakay sy maso, ary azo lazaina ho nifamotika mihitsy I Andry Andriatongarivo mivady sy ny Minisitra Andry Ramaroson, na samy ao anaty minisitera sy samy anao anaty governemanta aza. Ny volana febroary lasa teo aza, dia tafaporitsaka ny resaka nifanaovan’ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Minisiteran’ny angovo naneho ny ady mangotraka sy fifanakianana. Misy ny resaka re tetsy ankilany fa tratry ny tsindry Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mivady, izay niteraka resabe tao anaty Fanjakana hatry ny ela noho ny toetra amam-pihetsika nanaratsy endrika ny Fitondrana. Malaza fa tambin’ny fitazonana an-dRtoa Minisitry ny serasera amin’ny toerany ny fanesorana ny vadiny tamin’ny andraikiny, na ny nifanohitra amin’izany hoe: raha notazonina tamin’ny toerany I Andry Andriatongarivo dia I Lalatiana Rakotondrazafy no tsy maintsy miala. Raha ny tsoriakam-baovao niporitsaka avy any an-dapa aza, dia efa nalaza fa Atoa Augustin Andriamananoro no efa saika hapetraka ho minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Mety tonga saina ihany koa ny tsara raha sarahina ireo mpifanandrina ao anaty minisitera, ary mety nahazo toky tamin’ny Minisitry ny angovo fa hisy vokatra tsara kokoa raha alàna ny mety ho mpamingana.

AHOANA NY TOHIN’IREO DOSIE SAMIHAFA?
Raharaha isan’ny nitana ny sain’ny maro ilay resaka fitifirana olona teny Ambatobe ny fiandohan’ny volana septambra 2021, ka vadina minisitra no voalaza fa nitifitra ny mpanakanto iray, raha ny nambaran’ny fampahalalam-baovao samihafa, izay nisy nilaza mihitsy fa noho ny fisakaizana teo amin’io mpanakanto io sy ny minisitra. Nisy ny fampahalalam-baovao nanamafy fa tena nisy poa-basy, ary nilaza ihany koa moa ny Prefen’Antananarivo fa nalaina ny basy kalacknikov nampiasaina tamin’izany. Ahoana ny tohin’ireny? Nanaratsy endrika ny fitondrana ihany koa
ilay horonam-peo nandrahona sy nanao teny tsy mendrika tamina jeneraly nataon’i Andry Andriatongarivo. Tetsy ankilany, maro ireo tezitra tamin’i Lalatiana Rakotondrazafy na ny mpiara-dia amin’ny fitondrana aza toy ny tamin’ny raharaha nanesorana ny Tale Jeneralin’ny OMDA, ary nisy depiote IRD nampitandrina mihitsy aza eo anatrehan’ny endrika fandrahonana fa hamoaka dosie. Ankehitriny, mandeha ny resaka fa efa miomana amin’ny mety ho olana hahazo azy ireo aoriana ny Minisitry ny serasera mivady, ary malaza fa efa nividy trano any Frantsa. Asa hanao ahoana ny tohiny?
Toky R

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap