Manamafy izany fa miaina ao anatin’ny demokrasia,. Isaorana ny olona rehetra te hanadihady satria tsy te hanana ny ratsy ny vahoaka Malagasy, ary manamafy izany rehetra izany fa filamatra izao amin’ny fisian’ny tambajotran-tserasera izao. Nanamafy Atoa Ntsay Christia fa ny Filoha dia nanao fanadihadiana ireo Minisitra. Ny fepetra izay noraisina, hoy izy, dia nijerena ny tombotsoan’ny Malagasy iray manontolo, fa tsy misy zanak’ikalahafa. Nilaza ny Praiminisitra fa manana ny fahaiza-manaony, manana fitiavan-tanindrazana, ary tia ny fahamarinana ihany koa ireo. Tsy misy zanak’Ikalahafa, fa samy Malagasy ka tokony hametraka ny soatoavina. Manana fahendrena ny Filoha, ka ny zavatra rehetra izay atao dia tsy nijerena antoko antoko, fihaviana, fa nojerena hoe ireto Malagasy manana adidy sy andraikitra amin’ny fampandrosoana. Avelao ireo minisitra rehetra hiasa, dia hotsaraiaa amin’ny asany, fa tsy hoe mbola tsy miasa dia efa atao ny fanakiviana azy ireo, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tsiahivina, fa minisitra manodidina ny am-polony no tratry ny ampamoaka tamin’ny endriny maro. Ny fahitana azy, dia ny samy ao anaty Fanjakana ihany no mifamely, raha tarafina tamin’ny teny minisitra iray fa tsy hahita dosie na zavatra hamelezana azy, fa hitsikitsikiany fotsiny.
Toky R
Sa
Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio
Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra
Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD
Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na
Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo
Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana