airtel

Politique

10-mai-2024

Governoran’Analanjirofo teo aloha

Navoaka ny fonja mba hanao propagandy ?

Sample post image

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

10-mai-2024

Lehiben’ny Faritra Analanjirofo teo aloha Jacques Ramaroson, izay naiditra am-ponja vonjimaika ny faramparan’ny volana martsa noho izy voarohirohy ho nanodinkodina volam-panjakana. Efa nisy ny resaka nivoaka fa nokasaina havoaka ny fonja ny tenany satria tiana harotsaka ho kandida depiote. Efa notaterina teto ny fisiana fikasana ny hamoahana azy tany am-ponja, ary io tanteraka soa aman-tsara io, saingy efa aty amin’ny propagandy. Ankehitriny, tazana miara-dia amin’ny kandida IRMAR ao Fenoarivo Atsinanana Rtoa Angelica Michelle ny tenany. Fifandrifian-javatra ihany ve amin’ny lafiny iray ny fahafahany vonjimaika amin’izao vanim-potoanan’ny propagandy izao sa antony ara-politika ? Mbola tsy nisy ny didim-pitsarana raikitra, ary mbola misitraka ny zo feno amin’ny maha olom-pirenena ny olona iray noahiahiana rehefa mbola tsy misy an’izay. Na izany aza, fanontaniana aza apetraka ny hoe : nanao ahoana ny tohin’ny raharaha ahiahina fanodinkodinam-panjakana tao Analanjirofo ? Nilamina ve ny raharaha ? Navoaka ny governora teo aloha ka fanaovana propagandin’ny IRD no tambiny ? Andaniny, niampanga ankilaka ity governora ity teo aloha ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitsidihany tany Analanjirofo roatokombolana lasa izay. Nambarany fa tara amin’ny fandrosoana ny faritra Analanjirofo mitaha amin’ny Faritra Atsinanana, kanefa samy nahazo tohana ara-bola 2miliara Ar sy «engins » mba hanaovana fotodrafitrasa amin’ny làlana, tsy hita hoe ny asa vita tamin’ny tamberim-bidy na « ristourne » avy amin’ny jirofo. Raha nakany Mahanoro aho dia mahita làlana nohajariana na vao namboarina mihitsy, kanefa mankaty Fenerive-Est aho, tena menatra. Manontany tena aho hoe : inona no ataon’ny tompon’andraikitra aty ? hoy i Andry Rajoelina. Fanambarana izay vely kanota mivantana sy toa nanamafy ny fisian’ny fisian’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana na kolikoly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap