airtel

Politique

16-févr-2021

Politique

Guy Maxime Ralaiseheno Voaantson’ny zandary ihany koa

Sample post image

Taorian’Atoa Vonison Andrianjato, dia nahazo fampiantsoan’ny zandarimaria

16-févr-2021

 

 

avy amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana ihany koa Atoa Guy Maxime Ralaiseheno ho an’ny omaly 15 febroary 2021. Antso fankahalana ny Filohan’ny Repoblika sy ny Fanjakana Malagasy no voalaza fa antony, raha ny nambarany tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny Miara-manonja omaly. Tamim-pahasahiana no nilazany, fa tsy mila sintonina ny vahoaka Malagasy fa efa leo Fanjakana mitondra lainga, tsy fahombiazana, fahantrana ho azy. Ity Fanjakana ity, dia fanjakana tsy mba mitodika makany amin’ny zo fototra ananan’ny vahoaka na ananan’ny olom-pirenena. Hatrany am-piandohana dia mazava ny lalan-tsaina ho an’ny miara-manonja dia ny fahasahiana miteny ny marina tamin’ny fomba matihanina amin’ny maha mpanao gazety na mpanao politika narahina porofo, raha ny voalazan’io mpanao politika io. Miteny hoe inona ny zava-misy inona no azo resahina amin’ny raharaham-pirenena. Isan’ny noresahina ny raharaha volamena 73,5kg. Hatrany am-piandohana dia tsy niteny ny marina ny Fanjakana, niovaova ny zavatra ambara. Maro ny mpitondra niezaka nanadio izao Fanjakana izao, kanefa fantatsika loatra fa ny raharaha amin’izao dia tsy azony ialana. Ny pirina no voatonontonana, fa ireo zatra ny lalan-dririnina amin’ny raharaha volamena, ny raharaha boaderozy dia very an-javony. Mitady ho zatra an’izany ny Fanjakana, saingy tsy azo ekena satria fananam-bahoaka, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno naneho fa efa efa vonona sy tsy manaiky lembenana ny Miara-manonja.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap