airtel

Politique

10-nov-2021

Politique

Hafatry ny Pr Ralison Roger ho an-dRajoelina « Ahilio ireo manaratsy endrika raha mbola hirotsaka »

Sample post image

Tokony miverina mifampidinika amin’ireo tena mpanohana azy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina mialohan’ny hiatrehany ny fifidianana raha mieritreritra ny mbola hitondra fanindroany, ary tokony hisy ny fahasahiana manilika

10-nov-2021

 ireo olona manaratsy endrika azy, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika raharaham-pirenena Atoa Ralison Roger omaly tao amin’ny fahitalavitra Real TV. “Lombolombon’ny tamin’ny taona 1991, izany hoe mitovitovy na ambony kokoa noho ny zavatra niainana tamin’ny 1991 ny iainana eto amin’ny firenena izao. Misy ny olana ara-tsosialy lehibe, ary rehefa io olana io no tsy voafehy, ny olana momba ny fandriampahalemana tsy voafehinao, ny olan’ny fampianarana,… dia atahorana izay”, hoy izy. Nohamafisiny fa atahorana foana ny kandida, ary matoa izy milatsaka misy manohana izy na eto an-toerana na any ivelany. Amin’izay fotoana izay izy, dia lasa adin’ny iraisam-pirenena. Raha misy manohana ihany koa aza ianao, indrindra fa ny eo amin’ny fitondrana, ireny nanohana rehetra ireny ka tsy afa-po aminao dia hitady olona hafa ihany koa izy hotohanana. Noho izany, ny Filoha Rajoelina dia mila mitandrina, ary tokony ho sahy hanilika ireo fandoto iray tandroka ao anaty fitondrana, raha ny fanehoan-kevitr’ity Mpandinika ity. Etsy ankilany, mimenomenona ny fikambanana izay nanohana azy hoe: toa olona tsy fantatra ary daholo no lasa eo amin’ny fitondrana fa izahay ahoana? Tsisy mahamenatra ny mijery hoe aiza ianareo ilay mpiara-mitolona ireny, dia mahatanty tsikera hoe izao no tsy mety. Ahitsy izay tokony hahitsy. Mila mahasahy manilika izay manalokaloka, mila mamerina antsakany sy an-davany ny fahatokiasan’ny olona azy, raha mieritreritra mbola hirotsaka, hoy io Mpandinika io
AVELAO NY OLONA HANEHO HEVITRA AN-DALAMBE
Tokony hahitsy ihany koa ny fanakanana ny fahalalahana maneho hevitra. Raha izaho no mpanolontsaina azy dia miteny aho hoe: avelao ny olona haneho hevitra eny an-dalambe tahaka ireny ataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ireny. Raha vao fehezina tsy haneho hevitra, dia mandeha makany amin’ny tambazotran-tserasera, ary vao mainka ireny be mpanaraka. Afaka maneho hevitra ihany koa ny mpomba ny fitondrana. Mila havela maneho hevitra fa miaro ny mifehy ny tsy hisian’ny korontana ny miaramila, hoy ny fanehoankevitr’Atoa Ralison Roger.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap