airtel

Politique

16-avril-2021

Politique

Haingo Paradis “Misy olom-bitsy manidy ny fijerin’ny filoha ao”

Sample post image

Tsy misy tokony ho laharam-pahamehana ankoatry ny fahasalamana izao, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Haingo Paradis,

16-avril-2021

 

naneho hevitra miantefa mivantana amin’ny mpitondra fanjakana omaly. Ny resaka fotodrafitrasa sy ny hafa rehetra tena mbola tsy fotoanany amiko, hoy izy, fa ny hijerena izay fahasalamam-bahoaka izay no tena tokony atao. Mahatsiaro ho reraka sy tsy mahita lalan-kizorana intsony ny vahoaka ao anatin’ny ady amin’ity aretina COVID 19 ity. Manao be marenina ve ny fanjakana satria raha tsy hiteny fotsiny ny resaka fahatapahan-jiro, ohatra, dia maro ny mikaikaika nitaraina sy nijoro vavolombelona. Manantena aho fa hijery ifotony sy hitady vahaolana hampihenana izany ny fitondram-panjakana. Tsy tokony ho azo ekena mihitsy anefa ny fahatapahan-jiro amin’ireo toerana misy ny mararin’ny COVID 19. Tafahoatra izy tato ho ato ary tsy io no nifanarahana raha iverenana ny tenin’ny filoham-pirenena satria nanome toky izy fa tsy hisy intsony izay resaka “délestage” izay. Famitaham-bahoaka, noho izany, no mitranga amin’izao fotoana izao, raha tsorina satria mifanohitra tamin’ny nolazaina ny zava-misy. Mampametra-panontaniana hoe famotehana ny orinasam-panjakana JIRAMA ve no atao mba ho amidy izy rehefa leo ny vahoaka? Tsy herinaratra ihany fa ny rano koa mampijaly ny olona izao. Mila mitazona ny teniny, noho izany ny filohan’ny repoblika ary mila mailo mba tsy ho sahirana raha diso fanantenana ireo mpanaradia azy. Misy olom-bitsy manana tombontsoa manokana manidy na manidy ny fijerin’ny filoham-pirenena ao ka fotoana izao, hoy hatrany ny tenany, handravana ny governemanta na hametrahan’ny filoham-pirenena fialana mihitsy rehefa tena hita fa tsy vitany intsony satria hita ho manomboka mahatsikaritra izay ny vahoaka.

 

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap