airtel

Politique

19-déc-2022

Politique

Hajo Andrianainarivelo “Tokony hapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy”

Sample post image

Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan'ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny atsimo.

19-déc-2022

Nivoitra tamin'izany ny olana maro samihafa iainan'ny vahoaka any an-toerana toy ny olana sosialy, hoy ny fampitam-baovao. Tsy mifanaraka amin'ny filan'ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. Ilaina ny mihaino ny olan'ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso ny firenena, hoy izy. Nanteriny fa tokony hapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahan'ny faritra tsirairay mahaleo tena. Anisan'ny tsy ampy any an-toerana ny tohodrano manondraka ny fambolena. Tsy ampy ny rotsak’orana. Manampy izany ny tsy fisian'ny tosika avy amin'ny mpitondra fanjakana ireo tantsaha mpamokatra. Anisan'ny tsy afa-bela amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro amin'izao fotoana izao raha ny any atsimo. Manoloana izany, nohitsian'ny filoha nasionalin'ny MMM fa tokony hapetraka ireo fotodrafitrasa tena laharam-pahamehana amin'ny vahoaka mba tsy hampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka. Adidin'ny antoko ny mihaino ny olan'ny vahoaka eny ifotony. Tanjona amin'ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny mba hiteraka fampandrosoana miainga avy eny ifotony, hoy hatrany izy. Naharitra ora maro ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ireo vahoaka sy ny mpitarika ny MMM, hoy ny fampitam-baovao. Omena fahefana ireo tompon’andraikitra isan-tokony miainga eny ifotony ary henoina ny vahoaka, manomboka eny anivon'ny fokontany sy ny kaominina ary distrika, hoy ny filohan’ny MMM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap