airtel

Politique

09-juin-2021

Politique

HAJO sy LALATIANA Hanahirana an-dRajoelina

Sample post image

Filohan’antoko miisa roa no isan’ny mandrafitra ny governemanta ankehitriny, dia ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy

09-juin-2021

 

 

 Andriatongarivo sy ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa Vaventy Atoa Hajo Andrianainarivelo. Isan’ireo olona toa tsy azo kitikitihina ao anatin’ny governemanta na inona na inona mety ho lesoka aminy. Azo ambara ho manahirana an’i Andry Rajoelina ireo, na marina aza fa mpiara-dàlana ara-politika, ary nanohana azy tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Mety ho lasa manana « dette morale » na karazana trosa amin’izy ireo ny Filoha noho ny tohana ara-politika nentiny. Na izany aza, antom-pisiana sy tanjon’ny antoko iray ny fakana fahefana, izany hoe : mety samy manana ny hambom-pony avy, ary miezaka manitatra ny ambaindain’ny antokony ahafahana maka faka sy mampitombo ny hery. Misoko miadana io, ary hita taratra ny fametrahana olona any anaty rantsa-mangaika samihafa any, ary misy indraindray ny fifandrafiana na samy mpanohana fitondrana izao aza satria tratry ny fanilihana ny sasany. Fomba fanaon’ny mpanao politika eto amintsika ihany koa rehefa mahazo fahefana ny manangom-bola hoenti-miatrika propagandy, ary tena nahazo vahana io taorian’ny tetezamita, toy ny fifidianana tamin’ny 2013 izany nahitana mpikamban’ny governemanta vitsivitsy samy mirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena. Nandeha ny fifidianana tamin’ny 2018, dia mbola toy izany hatrany ilay fomba fiady, eny fa hatramin’ny Praiminisitr’ilay Filoha am-perinasa aza lasa kandida nifaninana taminy. Azo eritreretina foana ny toy izany amin’izao fitantanan’I Andry Rajoelina izao, ary ny lehiben’Antoko ivelan’ny TGV aloha no heverina voalohany, fa akaiky an’izany hambo-po politika izany. Mety ho paikady ara-politika hanapariahana vato io, fa eo ihany koa avy eo ny kajikajy politika any amin’ny fihodinana faharoa hoe: hanohana an’ilay kandida tafiakatra, ary mazava ho azy ny tambiny fa toerana ao anatin’ny governemanta. Tsy maintsy hanahirana ilay filoha avy eo na mety tsy mahomby aza satria nisy ny “deal” natao. Hailika ahiana hanampy tosika ny mpifanandrina, tsy hahilika mety hanahirana sy mety tsy ho voafehy.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap