airtel

Politique

15-avril-2022

Politique

Hajo.A sy ny MMM Lasa fatra-mpitsikera fitondrana

Sample post image

Lasa fatra mpitsikera fitondrana. Izay raha fehezina ny fahitan’ny gazety iraisam-pirenena, Africa Intelligence, ny politikan’ny filohan’ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM

15-avril-2022

Hajo Andrianainarivelo, taorian’ny fisintahan’ity minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany teo aloha ity sy ny antokony teo anivon’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Voatsikera daholo ankehitriny ny fivangongoan’ny fahefana eo amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ity praiminisiny ity. Mipetraka ny fanontaniana hoe mety hitodi-damosina tanteraka amin’i Andry Rajoelina ve ny filohan’ny MMM? Rehefa mihaino ny fanazavany tsinona aloha hatreto dia toa tsy mbola manana heritreritra ny hiaraka amin’ny mpanohitra koa ity antoko ity noho ny fiheverany izay eo anivon’ny fanoherana izay ho mbola hanjakan’olon-tokana. Tsikaritra ho tsy mitsitsy fitenenana kosa anefa ity minisitra ity amin’izao fotoana izao, raha ny filazan’ity gazety ity hatrany rehefa hitsikera ny tsy fihetezan’ny fomba fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny taorian’ny nilazany fa tsy hiditra amin’ny governemanta navaozina ny 16 martsa teo intsony. Ny tena nanaitra ny maro indrindra koa moa dia ity fandavan’ny MMM ny fanapahan-kevitry ny fitondrana tsy hiandany amin’iza na iza manoloana ny ady atsy Okrainina sy Rosia ity. Velom-panontaniana mihitsy hatramin’ireo tsy mpanara-baovao aza hoe fa inona koa ary no tanjon’ity antoko ity? Ny resaka famerana ny famatsiana ny minisitera notantaniny tamina tetikasa tokony nahazoana mihoatran’ny 50.000 dolara, izay isany antony nampikatso ny fampandehanan-draharaha teo anivon’ity minisitera ity ny volana aogositra 2021 hatramin’io martsa 2022 io raha ny voalaza. Voalaza ho namparefo fahafaha-mampiasa vola izay tafanika hatrany amin’ny 60% koa izany. Izany rehetra izany, araka izany, no santionan’ireo tsikera mamaivay lasa mivoaka amin’ny vavan’ny MMM sy ny filohany amin’izao fotoana izao raha ny tatitr’ity gazety ity hatrany. Mitohy mipetraka kosa hatramin’izao ny fanontanian’ny olompirenena tsotra maro hoe tena izao ve izany vao hitany ity filoha ity sy ny antokony sa efa fomban’izany Hajo Andrianainarivelo izany hatramin’izay tokoa rehefa hitany ho mitady ho rendrika ny sambo no miala mialoha ?
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap