airtel

Politique

10-févr-2021

Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Aza midi-kizo mikitikitika anay”

Sample post image

“Aza ampitahorina sy ampihorohoroana izahay, fa hatramin’ny 5 febroary no efa fantatray hoe misy kendrena hosamborina.

10-févr-2021

 

 

 

Nampihorohoroana ny Minisitra teo aloha Andrianjato, ary efa nodidina miaramila ny tranony. Hitanareo ireny olona sy vahoaka ireny, ary izahay efa nampitandrina hoe “kitiho ary”, hoy I ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa ao amin’ny Miara-manonja ny alatsinainy teo, ary nohamafisiny hoe: “fantatray fa misy mifofo ny ainay. Eritrereto tsara ihany aloha fa sao hifampitady eto isika. Tsy hanaiky izahay raha misy singam-bolon’ny iray aminay voakitikitika. Izahay mbola tsy niteny fa hanongam-panjakana fa ianareo ao anatin’ny Fitondrana no mety mieritreritra an’izany ». Lazaina fa manely tsaho, lazaina fa manakorontana sy manohintohina ny fiandrianam-pirenena, saingy tsy ampahafirin’ny nataonareo tamin’ny tolon’ny depiote 73 izany, inona no tsy nolazaina tamin’izany? Soa ihany fa nanana fahendrena ny mpitandro filaminana, nihemotra ny Prefen’ny Polisy. Mbola tadidiko tsara, ary eto aho dia mampahatsiahy aho sady vavolombelon’ny tantara fa Atoa Goveronoran’Analamanga ankehitriny dia efa nivatsy “poste soudure” mihitsy hanidiana ny tranon’ny Minisitera rehetra”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa eo anatrehan’ny mety ho fisamborana na fikitihana ireo mpitarika ny Miara-manonja. Nilaza ity depiote ity fa fantatr’izy ireo ny fanirahana “gros bras” mitady hanao “elimination physique” na famonoana mivantana. Misy depiote vitsivitsy no manao izany, misy minisitra notononiny,… ka tompon’andraikitra ianareo raha misy mahazo ireo ao anatin’ny Miara-manonja, hoy ity depiote ity.

AZA MIDI-KIZO…

“Mikitikitika ny ainay ianareo ka tandremo na marina aza fa tafiditra resaka mafia ity fitondrana eto Madagasikara ity. Aza midi-kizo amin’izany, fa lasa zava-doza ity raha hifampisambotsambotra sy hifanao “élimination physique” izany isika, hoy ity olom-boafidy ity. Niantso ny Fanjakana tsy handrehitra afo i Hanitra Razafinamantsoa, ary nampitandrina fa sao hipoaka mialohan’ny lera ny raharaha. Tsy misy manana tombotsoa amin’ny korontana, ary rehefa tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny, dia nahitsy izy nilaza fa ny mametra-pialana ny tsara kokoa.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap