airtel

Politique

14-janv-2022

Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Maro ny SEG nisolelaka sy nanao politika fa aiza izao ?”

Sample post image

Niteraka adihevitra goavana ny fanehoan-kevitry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Gellé Serge izay toa miantefa amin’ny mpanohitra amin’ny hetsika politika samihafa mety hitranga.

14-janv-2022

 Maro no maneho fa tafajoboka any anaty politika ny SEG. “SEG a ! Naninona no niova “language” tampoka teo? Fitahian'Andriamanitra ny nahavelona anao tamin'iny “crash”n’ny angidim-by iny. Efa nisy ministra sy SEG nisolelaka sy nandika lalàmpanorenana, nanao politika sy tsy nanaja ny « neutralité politique de l'administration et des forces armées » teo an ! Fa aiza zareo izao? Mandalo io fahefana io anie”, hoy Depiote TIM Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny tambajotran-tseraserany. Raha hiverenana moa dia naneho ny SEG fa “Ity 2022 ity sy ny 2023 manaraka eo dia tokony hilamina isika. Mbola ho avy ny fanambarana izay hataonay telo mirahalahy, fa atsidiko sahady fa lalàna io, ny didim-pitondrana 63/253 tamin’ny 09 may 1963 izay mamaritra ny fiarovana ny olombelona sy ny fananany. Na iza na iza, na zovy na zovy tsy mamela ny rafitra demokratika hiasa, dia sokajiana ho toy ny favalom-pirenena. Mety misy fotoana fandeferana, misy fananarana, fa misy fotoana ny zava-drehetra. Izaho manokana no miteny izao, tsy misy korontana izany intsony, ary tsy hisy hanaiky an’izany fa avelao hiasa ny fitondram-panjakana, an’ny rehetra io fitondrana na ny nifidy azy na ny tsy nifidy azy, dia miandry “tour”, hokorontaninao foana dia tsy hahavita ny asany dia avy eo omenao tsiny. Hialao ny fitenenana rehefa tsy anao ny fitenenana hoe: herim-pmoretana ny mpitandro ny filaminana rehefa tsy eo amin’ny fitondrana ianao, fa izahay dia izahay foana”, hoy ity jeneraly izay vao niakatra galona ity. Ny mpanohitra moa etsy ankilany, dia milaza fa hijoro sy hanamafy ny hetsika sy ny fitsikerana ny tsy mety amin’ity 2022 ity, saingy ho avy masiaka izany ny SEG. Ny SEG dia marihina fa mbola ambany fahefan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena (MDN) ka inona tokoa moa no mahamaika azy hiteny kanefa ny MDN aza tsy nandrenesam-peo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap