airtel

Politique

09-avril-2021

Politique

HCC vaovao Eo am-pelatanany ny hoavy politikan’ny Firenena

Sample post image

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly tamin’ny alalan’ny lanonana ara-pitsarana tetsy amin’ny

09-avril-2021

 

 

Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ireo mpikambana 8 amin’ny 9 mandrafitra io andrim-panjakana io. Tsy afa-nanao ny fianianana kosa Atoa Nelson William noho ny tsy fahasalamana. Araka ny fombafomba ara-pitsarana sy ara-pihanianana, dia nihaniana izy ireo fa tsy hiandany na amin'iza, fa handray fanapahan-kevitra ankahalalahana sy am-pahamendrehana, ka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery sy ny hevi-dehibe raiketiny no hiaingana. “Sambany tamin’ny tantaran’ny HCC, ka nisy fihanianana ataon’ny mpikambanana vaovao raisin’ny mpikambana teo aloha, katokony hotohizana. Toky no omenay anareo, fa araka ny fianianana nataonay, dia hampanaja ny lalàmpanorenana sy tany tan-dalàna izahay ao anatin’ny fanatanterahana ny asanay, hoy ny Zokiny indrindra na “doyen” ao anatin’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa. Manana 8 andro hifidianana izay ho filohany ny HCC, ary isan’ny tsara toerana ho Filohan’io Andrim-panjakana io indray ny tenany, izay efa nitana izany andraikitra izany tany aloha. Somary nanaitra kely rahateo ny tsy fitoviana kely tamin’ny lokon’ny fanamiany tamin’ireo hafa omaly. Tonga nanome voninahitra ny fotoana omaly moa ny Filohan’ny Repoblika sady Filoha faratampon’ny filankevitra ambonin’ny Mpitsara Atoa Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona.

MISY VARY MANGATSIAKA

Miisa 4 ireo vary mangatsiaka teo aloha miandry ireo mpikamban’ny HCC vaovao, dia mahakasika ny fankatoavana ny lalàna 2021-001 mikasika ny tetikasa antsoina hoe “PRODUIR”, findramam-bola amin’ny IDA; Lalàna 2021-002 mikasika ny findramam-bola amin’ny tetikasa “PRODIGY”, ny fitoriana nataonan’Atoa Rasoamiaramanana Heritiana Gervais Dit Zaref mikasika ny fitakiana hanafoanana ny fifidianana filoha fihodinana voalohany sy faharoa tamin’ny taona 2018; fitoriana nataon-dRtoa Fanirisoa Ernaivo mangataka ny fanafoanana ny fifidianana filoha Fihodinana voalohany tamin’ny taona 2018. Ireto roa farany, dia azo antoka 100% fa holavina amin’ny fomba mivantana na an-kolaka. Didy tsy azo hivalozana ny an’ny HCC, sokajiana ho iainkinana sy mamaritra ny ho avy politikan’i Madagasikara hatrany ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’io andrim-panjakana io.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap