etsy Ankadimbahoaka omaly, ny mikasika ny tontolo politika eto Madagasikara iainantsika ankehitriny. Tsy tsara ny manao teny mandratra na ho an’ny andaniny na ankilany. Tsy tsara ny mifandrangitra. Apetrakay hatrany izay. Misy olona 2 na 3 mifandrangitra ary ny olom-boafidy tsy natao ho baikoin’ny olom-boatendry, indrindra, fa olom-boatendry aty ambanimbany. Tsy praiminisitra na minisitra no afaka hiteny hoe “taisez-vous!”. Tsy fiteny ireny fa mandrangitra, hoy ny filohan’ny HCDDED, Navony Pierre Lenoble. Tsy afaka mibaiko olom-boafidy ny olom-boatendry. Mikasika ny raharaha momba ny oniversite dia mbola tsy tanteraka hatramin’izao ny fihaonanay sy ny SECES ary HCC. Mino aho anefa fa tsy ho ela dia ho tonga izay. Mihenjan-droa ny tady. Mila jerena izao ny vahaolana fa tsy andrasana ho simba ny firenena. Oniversite maty izao no misy manerana an’I Madagasikara. Ny zanaka malagasy fa tsy ho zanaka vahiny mihitsy no ho voa amin’izany. Jereo haingana ny vahaolana fa aza andrasana hirehitra. Tadidio fa zavatra tsy ampoizina teto no maharava fitondram-panjakana. Raisintsika ohatra ny tamin’ny 1972. Ny fampitoviana lenta ny mpianatra ho mpitsabo sy ny mpianatra teny Ankatso no tsy neken’ingahy Tsiranana tamin’izany dia iny no niafarany, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
Ankoatra ny fandokafana nataon’ny ankamaroan’ny depiote mpomba ny fitondrana ary ny kiana mivaivay nataon’ireo depiote avy amin’ny antoko mpanohitra,
Miditra ao anatin’ny kihon-dàlana politika vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM, izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany manomboka anio 30 jona 2022.
Notorian’Atoa Maharesy Roi Francis Ben’ny tanànan’Ankavandra teo aloha tompon’ny orinasa ETS AR Business any amin’ny Sampana fitarainana eo na “bureau de doléance” eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ny Depiote
Araky ny lalampanorenana, ny governemanta sy ny parlemantera, ny fifandraisany, indrindra, ny fanaovana lalana, dia ny parlemantera manara-maso ny mpanatanteraka, hoy ny antoko politika Teza.
Fampalazana tena na « populisme » no mbola hanarontsaronana ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka no tena ataon’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny.
Mbola mila ezaka goavana ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hoenti-mampiodina sy mampandroso ny firenena,