airtel

Politique

01-août-2022

Politique

Hemerson Andrianetrazafy “Tsy te hino aho hoe tsy avotra intsony ity firenena ity”

Sample post image

Tsy te hino aho hoe efa tsy avotra intsony ity firenena tsy mahavita manangana fiarahamonina ity, hoy ny mpahaitantara sady mpanakanto,

01-août-2022

Hemerson Andrianetrazafy! Misy dikany inona ilay mifandatsaka aina, hoy izy? Iza no mbola mifampitsinjo? Mbola misy fanjakana mahefa mifaka amin’ny zava-misy sy tsindry eny ifotony ve eto? Moa tsy angano voizina hatrizay fotsiny ilay hoe malagasy mandala fihavanana sy fifanoloran-tanana? Tsy mety mino akory aho fa hoe ny rafitra misy sy ny firoana voizina ankehitriny dia mety hampanjary tontolo azo iainana sy hivelarana. Fitiavan-kely, havendranana, tazon-karena miharo hakamoana sy malai-misasatra no misonga etsy sy eroa. Kifetsifetsy tsy miainga fa mirefarefa amin’ny tany no manjaka hatraiza hatraiza. Anisan'izany ny endrik'ireo kolikoly manjaka hatraiza hatraiza. Na dia hinia hitampi-maso aza, mahamay sy maharary ohatry ny vay an-kandrina ireny. Izao isika izao dia toa olom-boaozona satria loza ho an'ireo izay mikiry tsy mitandro hasasàrana ! Rahoviana isika vao hifampiresaka tsy miolankolaka, tsy misy kajikajy izay tena momba antsika ary mampiakatra ny resaka avoavo kokoa noho ny filan'ny kibo tsy hamokarana afa tsy tay? Izao mitsipaka sy kila ankarona ny tantsaha noho ny asa-dahalo, mihorohoro ny zaza varira noho ny finoanoam-poana asesiky ny maizin-tsaina, tsy mandry fahalemana ny elakela-pe noho ireo tsy mahafehy filahiana. Tsy misy vidiny intsony ny ain'ny madinika atsatsika toy ny tonon'akoho. Tsy misy didy aman-dalàna afaka miaro azy intsony satria ny fandriampahalemana toa natokana fotsiny ho an’ny mpitondra sy ny manam-pahefana? Tsy mety mino intsony aho. Mivaralila isika ka asa raha mbola misy tokony hiarahana, hoy hatrany tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap