airtel

Politique

04-juil-2022

Politique

Hentitra i Ravalomanana “Halaintsika ny fahefana ho fanavotam-pirenena”

Sample post image

Mino sy vonona ary tena hijoro hanavotra ny Firenena haka fahefana, io no baikom-pitolomana nomen’i Marc Ravalomanana ho an’ny mpikatroka TIM sy ny vahoaka nandritra ny fanombohana ny fankalazana ny faha-20

04-juil-2022

taonan’ny Antoko TIM tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 02 jolay teo. Tsy mihambahamba ny tenany nilaza fa latsaka an-davaka anaty fahantrana ny firenena, tsy misy vahaolana ataon’ny mpitondra ankehitriny fa andrakandrana no betsaka. “Mbola ao tsara aho, fa aza matahotra, mbola vonona tsara. Vitantsika ny manarina ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy, aza manary toky fa mbola ho avy ny fotoana hiadana ny vahoaka Malagasy, raha mbola misy azo azoko atao ary raha mbola omen’Andriamanitra tombon’andro aho tsy hamelako fa tsy maintsy havotantsika ny vahoaka Malagasy”, hoy ny Filoha teo aloha. Niantso famondronan-kery avy amin’ny ankolafin-kery rehetra ity filoha teo aloha ity, naneho fa efa nifampiresaka na tamin’ireo teto an-toerana na ny any ivelany. Tonga miaraka no fanombohana, fa hiasa hiaraka satria tena mijaly, mangifiry ny vahoaka Malagasy, ka ilaina vonjena ireo, hoy izy, izay naneho fa ampandeferina ny tsy fitoviana. “Mafy noho izao ny tamin'ny 2002 satria sady nanana fahefana, nanana fitaovana fa tsy misy maharesy vahoaka...”, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. “Manana ny finoantsika, ity no kianjan’ny finoana, teo no niantsoanareo ahy hoe: miverena dada, ka ny finoanareo no nahatonga ahy niverina fa tsy nisy nitondra teto aho. Rehefa hanao zavatra isika tsy misy hahasakana antsika eo”, hoy izy nanome toky. “Vonona Aho ary manana vahaolana. Tsy maintsy atao izay hahazoana ny fahefana miainga any amin'ny fokontany. Hitanay ny hamahana ny olana rehefa tonga eo amin'ny fahefana, anananay ny traikefa, hoy ny Filoha teo aloha izay nampahatsiahy ny hoe: nialohan’ny nanaovako politika dia efa hainy ny nitantana, nitarika, nanangana (management, leadearship, innovation). Notsiahiviny fa na ny fianakaviany aza tsy nanaiky ny hanaovany politika, saingy ny hanavotra ny vahoaka no nambarany fa tanjony. Tonga teto ary niara-niasa tamiko ny Filohan’ny Banky Iraisam-pirenena miisa telo, nofafana ny trosan’i Madagasikara nahatratra 5 miliara dolara. Tena manavotra vahoaka ny politika satria ny 92% amin’ny Malagasy niditra an-tsekoly. Olana be ny ara-tsakafo, kanefa tsy tao an-tsaiko izany hanafatra vary izany satria izaho zanaka tantsaha, ka natao izay hampiroborobo ny fambolena napetraka ho “à vocation agricole” i Madagasikara. Napetraka ny “vitrine de Madagascar”, nasiana fifaninana ka 12 taonina isaky ny hekitara ny voka-bary, kanefa ankehitriny ny tantsaha tsy misy mpijery. Haverintsika izany, hoy i Marc Ravalomanana nanome toky. Nilaza ity Filoha teo aloha ity, fa rehefa tena mahay miresaka sy manazava ary mahay mametraka ny fanjakana tsara tantana, tsy ampahafirin’ny vola mipirina any amin’ny mpamatsy vola sy ny firenena matanjaka ny vola ilaintsika.

Nosakanana sy norahonana tsy handray ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny TIM ireo hotely lehibe eto Antananarivo. Lany andro manenjika anay ianareo, fa izahay tsy hijanona mihitsy. Vitan-dry zalahy ny nandefa ahy tany am-pita, nalefa tany Diego, sakantsakanana,... fa mbola inty aho eto. Zava-dehibe sy traikefa izany 20 taona izany, nahavita izahay, ary hanananay ny fahaiza-manao. Mino, sahy, ary hijoro izahay", hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap