airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Hery Rajaonarimampianina “Latsaka an-davaka ny firenena, manana adidy isika”

Sample post image

Niditra mivantana, nitondra hafatra ho an’ireo mpikatroka HVM ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy teo, nandritra ny fihaonana ao anatin’ny famelomam-maso ny antoko ny sabotsy teo tetsy Andraharo.

13-déc-2021

 Notsipiany fa mijoro amin’ny soatoaviana amin’ny fanajana ny fihavanana, fanajana ny Fanjakana tan-dalàna, fanajana ny lalàna sy lalàmpanorenana, fanajana ny demokrasia,… ny HVM. Nanamafy Filoha teo aloha, fa ain-dehiben’ny firenena ny fanajana ny fahalalahana ara-toekarena. Tsy maintsy miasa anefa ary ny vokatry ny asa no mitondra ny fahombiazana na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny firenena. Tsy nihambahamba i Hery Rajaonarimampianina nanamafy ny voalazany ny 06 novambra teo, fa latsaka an-katerena ny firenena, mbola tsy nisy tahaka izao, rehefa mijery ny antontan'isa avy amin'ny Vondrona Iraisampirenena, eny fa ny avy eto an-toerana aza. Nitotongana ny fiainam-pirenena, mitombo isan'andro ny elanelan'ny mahantra sy manan-karena. Miakatra ny vidim-piainana, tsy misy ny asa, tsy misy rano, tsy misy jiro,... Sahirana mbola tsy nisy tahaka izao ny Malagasy, ka izay no mahatsara ny fihaonana handinihana ny ho avin'ny Firenena, hijery ny lalàna hamoahana ny firenena, hoy izy. Notsindriany fa efa nametraka ny « Fisandratana 2030 » izy ireo, izay nanandratana ny hambompom-pirenena faran'izay avo amin'ny fomba matotra hitondrana ny firenena. Isan'ny lalantsaina goavana ny fanandratana ny maha olona. Mila miova ny toe-tsaina hoenti-mitondra ny firenena. Fanajana ny soatoavina, fihavanana, ny fanabeazana amin'ny ankampobeny sy ny olom-pirenena. Tsy maintsy ao anatin'ny fitoniana politika no ahafaha-manao izany satria tsy afaka misintona ny mpampiasa vola, Vondrona Iraisampirenena,… izay tena ilaina amin’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana, raha ny nambarany. Nilaza ho efa nanoritra sori-dàlana, efa nametraka fijery lavitra na “vision à long terme” ny HVM, nijery ny fotodrafitrasa fototra,.. Efa nametraka ny seranam-piaramanidina Ivato, Seranantsambo Toamasina. " Ataovy tahaka ny lesona ny lasa, toko tapaka vilany mitongilana ireny, ka izay tsy mety harenina. Avondrona ny hery fa mbola manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana isika, manana adidy ny tsirairay amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy i Hery Rajaonarimampianina.

Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap