airtel

Politique

29-avril-2022

Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy mety tafody, noho ny vadiny …

Sample post image

Tahaka ireo mpitondra ambony sasany tamin’ny fotoan’andron’ny Fitondrana HVM izay voatery nanao sesin-tany ny tenany any ivelany, dia isan’ireo olona nandao ny firenena ihany koa ny Filoha teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina mivady.

29-avril-2022

Tsy tongatonga ho azy ny fisafidianana handao an’i Madagasikara. Eo ny mety ho finiavana manokana, fakana saina ara-politika taorian’ny faharesena tamin’ny fifidianana 2018, fa ny tena goavana dia ny tahotry ny fanenjehana politika satria misy an’ireo olon’ny fitondrana Rajaonarimampianina tahaka an-dry Mbola Rajaonah, Harry Laurent Rahajason, Berija Ravelomanantsoa,... no nenjehina sy nalefa any am-ponja vao nahazo fahefana ny volomboasary. Tsy finiavana hitsikera na hamoa fota-mandry, fa isan’ny nanaratsy endrika ny Fitondrana Rajaonarimampianina Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina vadiny. Voatonontonona tamin’ny raharaha maro, ka betsaka ireo mety ho nahatsiaro ho lasibatra tamin’izany, misy ireo mety efa niandry an-kendritohana,... Tafiditra tamin’izany ny resaka fanendrena olona amina andraikitra ambony, fampidirana ho mpisam-panjakana, fampidirana ho zandary, polisy, mpitsara,… Tao ny mety ho fisiana hetraketraka na fanjakazakana na vava be na antony hafa mihitsy, ary betsaka ny mety niandry an-kendritohana vao niongotra teo amin’ny fitondrana. Matoa aloha nisafidy ny hiala an’i Madagasikara dia ao ny tahotra, ary tsy niverina intsony taorian’izay.
LASA SAZY POLITIKA ?
Toa lasa sazy politika ho an’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izany. Toa an’ireo mpitondra sasany tany aloha, dia toa miandry ny hialan’ny Fanjakana Rajoelina eo amin’ny fitondrana na fiovana lehibe ara-politika vao mety hanana fahasahiana hody eto. Manana ny satany manokana ny Filoha teo aloha, saingy toa tsy sahy mody an-tanindrazana, ka heverina fa isan’ny antony ireo raharaha nahavoatonontonona ny Fanjakana sy ny vadin’ny Filoha teo aloha. Raha raisina amin’ny firesak’Atoa Hery Rajaonarimampianina matetika, ary ny fihetsiketsehana ataon’ny HVM anefa, miomana ary manantena ny mbola ho tafaverina amin’ny fahefana ity Antoko ity. Mbola Atoa Hery Rajaonarimampianina aloha no irian’ireo mpikatroka fa ho kandida. Herintaona sy tapany mialohan’ny hahatongavan’ny fifidianana anefa, mbola tsy tafody eto ny Filoha teo aloha. Mety hanao fihetsika na fivoahana ara-politika hanana endrika an’ilay hoe: “retour en forcé” ve? Ankoatra azy mivady misy ireo olon’ny HVM na eto aza nangina tanteraka ary maro no nandao an’i Madagasikara noho ny raharaha samihafa mahasaringotra mivantana na ankolaka azy na koa fanenjehana politika tsotr’izao, ka anisan’izany ohatra ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, ny Praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo izay niala teto ny faramparan’ny 2021, ireo minisitra teo aloha toa an-dry Maharante Jean de Dieu, Henry Rabary-Njaka”.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap