airtel

Politique

11-janv-2021

Politique

Hery Rajaonarimampianina Vahiny manokan’ny Filoha Ivorianina

Sample post image

Vahiny manan-kajan’ny Filoha Ivorianina Alassane Ouatarra tamin’ny

11-janv-2021

 

 

 

fanokanana ny « Institut de Formation politique Amadou Gon Coulibaly » ny zoma 8 janoary teo ny Filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tanjona amin’io Ivon-toeram-pampianarana ambony io ny hananana olona manana ny maha izy azy sy hanandratana ny tanora Ivorianina mba hisy lanjany amin’ny asa, ny fahaiza-manao, ny fahintsiana,… Mpampianatra mpikaroka sady mpahay toekarena rahateo i Hery Rajaonarimampianina, ankoatra ny naha Filoham-pirenena Malagasy azy. Tsy vao izao ihany koa no niantsoan’ny Afrikanina ity Filoha Malagasy teo aloha ity, izay manamafy ny fifandraisany amin’ny sehatra maro samihafa na tsy Filoha intsony aza, ka isan’izany izany ny sehatra iraisam-pirenena, ny Malagasy mpila ravinahitra any ivelany na ny diaspora,… Talohan’io tany Côte d’Ivoire io, ny 7 janoary teo, dia nisy ny resadresaka nifanaovany tamin’ny Gazetiboky Jeune Afrique, izay nilazany fa manaraka akaiky ny fiainam-pirenena izy. Manaja ny fifandimbiasana ara-demokratika, ary nanamafy fa izy no Filoha Malagasy voalohany tonga tamin’ny fomba ara-demokratika sy niala am-pahendrena. Mikasika ny fiainam-pirenena, dia nambarany fa karazana vovoka mifafy eny amin’ny mason’ny vahoaka ny fampanantenan’ny Filoha ankehitriny. Nampahatsiahy ny vokatra tamin’ny fitondrany, toy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena i Hery Rajaonarimampianina. Mamela ny Filoha ankehitriny hiasa an-kahalalahana anefa i Hery Rajaonariampianina, raha ny nambarany.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap