airtel

Politique

16-nov-2021

Politique

Hery Rasoamaromaka “Esory izay manampahefana tsy mahavita azy”

Sample post image

Tsy nihambahamba omaly ny Governoran’Analamanga sady Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko TGV nilaza sy nampita hafatra amin’ny Filoha Rajoelina hoe: “Esory izay manampahefana tsy mahavita azy”.

16-nov-2021

 Nambarany fa misy tompon’andraikitra tsy sahy miatrika mpanao gazety akory. Aza mialokaloka ao ambadiky ny maha teknisianina fa mijoroa ataovy ny asa. Ambarao, mila manao politika izany minisitra izany ary mila mahay manao serasera ihany koa, hoy izy. Nahitsy noho izany ity Governora ity nilaza fa tokony hoesorina ireo minisitra, na sekretera jeneraly na tale jeneraly na governora tsy mahavita ny asany. Tsy tokony hisalasala ny filoham-pirenena hanala ireo izay tsy mahavita ny asany, hoy hatrany I Hery Rasoamaromaka. Efa niresaka tamin’ny filoham-pirenena aho, hoy izy, ary nambarako taminy izany, hoe izy no nanao velirano tamin’ny vahoaka fa manaraka fotsiny izahay ambiny. Tsiahivina fa talohan’ny fanovana governemanta farany teo, dia efa nilaza Atoa Hery Rasoamaromaka fa tsy ho toy izao mihitsy ny fandrosoan’ny firenena raha TGV daholo ny minisitra. Ankehitriny, raha ny governemanta fotsiny no jerena, dia toa betsaka no tsy dia hita tabilao ireo minisitra. Ny sasany aza mety tsy fantatry ny olona akory hoe: iza moa ny minisitry ny izao na izao? Toe-javatra iray manamarina ny zava-misy io fanambaran’I Hery Rasoamaromaka io, fa mipiripirina ny ankamaroan’ny mpomba sy mpanohana fitondrana. Ireo olon-tsotra eny amin’ny fiarahamonina efa tena mipirina, tsy misy sahy maneho fa mpomba sy mpanohana ny fitondrana, afatsy ireo mety voatsinjo manokana na voatolotolotra zavatra. Ireo manampahefana sy manana toerana ambony aza io tratry ny kiana ataon’ny mpitarika ny antoko io. Midika izany, fa toa henatra ho an’ny olona ambony sy manam-pahefana sasany ilay hoe: olon’ny fitondrana. Manomboka mailo, tsy te haloto, mitady izay hasiana ny tongotra,... Tsy hay rahateo izay mety haloaky ny ampitso na mirehareha aza lohandohan’ny mpisorona ao anaty fitondrana fa mamim-bahoaka. Matoa anefa betsaka no mipirina, dia ao raha. Mety tsy mahatoky intsony ilay fitondrana ho maharo azy, tsy te haloto sy mieritreritra ny asa aoriana,… Sahirana tanteraka, ao anatin’ny tsy fahamarinan-toerana politika ny Fitondram-panjakana ankehitriny, ka lojika raha samy mitandrina ny ao anatiny, fa ireo lohandohan’ny mpisorona tsy afa-miala sisa no manao izay ho afany ain’ny fiarovana fitondrana.
MPANOHITRA
Momba ny fihetsika nasehon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Depiote Roland Ratsiraka tetsy amin’ny Hotely Carlton ny sabotsy 13 novambra 2021 lasa teo kosa dia nambaran’i Hery Rasoamaromaka fa : “Tsara ilay fampihavanana, mahafinaritra fa tsy tokony ho fampihavanana hitadiavan-tseza. Tokony hifona amin’ny Malagasy aloha I Marc Ravalomanana amin’ny ratsy nataony: tamin’ny fananganana ny Magro, fanimbana orinasa olona, fanagadragadrana olona,…, hoy ity governora ity. Nambarany fa manao ririn-dasa tsy tsaroana, ary na ny fianankaviana Ratsiraka izany aza dia izy daholo no nanagadra sy nanao sesin-tany, izy daholo no nanao izany, nanao haza lambo,… Sa ve aty aoriana dia nanao ririnin-dasa tsy tsaroana, manadio tena, izaho tsy tonga lafatra tato amin’ny faritra, ary raha misy zavatra tsy vitako dia miala tsiny amin’ny vahoaka aho fa tsy manilika an’izany? hoy ity governora izy. Sao dia mba lasa sarotiny alohan’ny tompony? Raha lazaina nanagadra olona Ravalomanana izay naonagana dia amin’izao ve tsy misy an’izany intsony? Ambara fa nangoron-karena ka tena mitsinjara araka ny tokony ho izy ve ny harena amin’izao? Tena mahazo vahana ve ny orinasa Malagasy? Ary ny fitomboan’ny harin-karena ve mitovy ny hoe:+7% sy ny -7%?.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap