airtel

Politique

20-juin-2022

Politique

Hetsika ara-pinoana Alahady Taratry ny sary politika 2023…

Sample post image

Hetsika ara-pivavahana roa samihafa no nanamarika ny andron’ny omaly alahady 19 jona 2022 teto Antananarivo Renivohitra.

20-juin-2022

Nisy ny fanasana nataon’ny Birao Foibe sy ny Filoham-piangonana ary ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy) Faritany Antananarivo Renivohitra niantefa tamin’ny vahoaka Kristianina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Fiaraha-niombom-bavaka sy fangataham-pitahiana ho an’ny firenena noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena 26 jona 2022 io, ka tao amin’ny Fiangonana EKAR Analamahitsy. Io omaly ny alahady 19 jona 2022 io ihany koa moa no daty niraisana amin’izany nanerana ny Nosy. Nifanindran-dàlana tamin’io ny antsam-piderana sy hetsika lehibe tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, izay nahitana ny Filoha Rajoelina sy ny mpikamban’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, ireo Filohana andrim-panjakana,… izany hoe: Fitondram-panjakana iray manontolo tamin’ny ankaobeny. Ho an’ny tetsy Analamahitsy io, tazana teny an-toerana ireo mpanao politika samihafa toa somary mirona kokoa amin’ny fanoherana. Isan’ny nanamarika izany ny sarin’Atoa Marc Ravalomanana, Rivo Rakotovao, ary Siteny Andrianasoloniaiko. Fotoam-pivavahana no resaka teto, saingy maro ny mandray izany ho misy lanjany sy misy dikany amin’ny politika, ary toa efa taratry ny 2023 ny endrika nisehoany. Ny filoha Rajoelina dia azo antoka 90% ny mbola hirotsahany. Izy telo mirahalahy mianaka tazana tetsy Analamahitsy dia tombanan’ny mpanara-baovao fa mety hanamarika ny fifidianana 2023 ihany koa. Maneho aloha sary fa mampiray sy mampiombona ny fiangonana, fa ny politika kosa no mampisara-bazana, fa ny olona tsy miady,... Tombanan’ny maro ho taratry ny rivotra politika ho avy ny sary niseho omaly. I Marc Ravalomanana efa hatry ny ela no naneho fa hanao ary matetika no nandrenesana azy nilaza fa ampy izay ny fandefarana ary tsy hanaiky intsony amin’ny halatra sy hosoka ara-pifidianana. Ny HVM efa naneho foana fa manana ny hambo-po hiverina eo amin’ny fitondrana. Hatreto, Atoa Hery Rajaonarimampianina no nanaovan’ny antoko antso ny mbola hirotsahany. Izy no laharana voalohan’ny antoko na tsy eto an-toerana aza, ary manaraka azy Atoa Rivo Rakotovao izay efa manana ny satany sy tombony manokana ho azy ihany koa tamin’ny naha filohana andrim-panjakana goavana roa azy dia ny naha Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy Filoham-panjakana azy. Atoa Siteny Randrianasoloniaika etsy andaniny, dia toa avy tao anatin’ny loko volomboasary no nivoaka. Malaza fa ho isan’ireo kandida Filoha amin’ny 2023. Efa niaraka tamin’ny HVM ihany koa, ary toa sady misy volomboasary no misy manga ireo olona tsikaritra niara-dia na miara-dia aminy.
ATAMBATRY NY FANOHERANA
Hatreto mitovitovy fijery, miombon-kevitra ao anatin’ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena aloha ny TIM sy ny HVM, ny Vondrona PANORAMA sy RMDM. Atambatry ny maha samy mpanohitra azy. Mety ho tonga ao anatin’io ihany koa ve i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany? Samy mijery ny rehetra hoe: hanao ahoana ny ho fihodin’ny politika ato ho ato hatramin’ny 2023? Mety ho tonga amin’ny fandrotsahana kandida iraisana hifanandrina amin-dRajoelina ve ny mpanohitra? Inona ihany koa no tokony ho anjara toeran’ny fiangonana mba hisorohana ny sakoroka sy ny krizy ara-politika mananontanona?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap