airtel

Politique

08-juil-2021

Politique

Hetsika goavana tany Toliara Nampiseho ny heriny i Siteny

Sample post image

Lanonambe goavana no nandraisana an’i Siteny Randrianasoloniaiko tao Toliara omaly, taorian’ny fahalaniany ho Filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo) sady Filoha lefitra ny Federasionina iraisam-pirenena amin’io taranja io.

08-juil-2021

Toa naneho ny tanjaka ananan’i Siteny amin’ny lafiny maro:fanatanjahantena, politika,… Vory lanona i Toliara ka ankoatra ny fanafanana nataon’ny mpanakanto maro toa an-dry Jerry Marcoss, Stéphanie, Mamy Gotso,… dia maro ireo manam-pahefana nanome voninahitra ny fotoana, toy ny Filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, Misitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona Nicolas Rabemananjara, Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad, Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, Depiote maro: Jean Jacques Rabenirina, Idealson, Marco Tsaradia, Milavonjy Philobert, Roland Ratsiraka,… Pr Raymond Ranjeva mivady, Pr Alain Tehindrazanarivelo,… “8 volana no nandehanako nivezivezy tany Afrika. Solombavambahoaka voafidy teto Toliara, ary tsy hanao kabary politika androany, fa lanonana noho ny fahalaniako no hatao”, hoy izy. Nankasitraka ireo rehetra nanohana azy toy ny Minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, ny Filoha Lefitry ny antenimierandoholona Nicolas Rabemananjara I Siteny Randrianasoloniaiko. Nitsiahiviny ny “Mouvement sportif”, izay isan’ny nahalany azy ho Filohan’ny Federasionin’ny judo, ka isan’ny nanetsika izany ary nitaiza azy tamin’ny fanatanjahantena i Ahmad Ahmad. Manana “coach” na mpanazatra ara-politika, dia i Monja Roindefo, Roland Ratsiraka, ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, izay mpiaro azy aty Afrika,… Raha manana “patron” aho, dia ny “patron” lehibe indrindra atahorako eto ambonin’ny tany dia ianareo vahoakan’i Toliara. Ny hampitombo ny saran’ny jirama manerana an’i Madagasikara. Amin’ity volana jolay ity, dia nametraka fanamby niaraka tamin’ny fitondram-panjakana dia ny fitovian’ny vidin-jiro manerana an’i Madagasikara, ary izay ihany no nangatahiko”, hoy i Siteny. Namaranany ny teniny hoe: “Reharehan’i Madagasikara ny fandresentsika”. “Rehareha fa ny zanak’ity Nosy ity no filohan’ny rafitra aty Afrika sy maneran-tany”, hoy kosa ny Pr Raymond Ranjeva.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap