airtel

Politique

05-mars-2021

Politique

Hetsika Nosy Malagasy “Miteniteny foana ny loholona”

Sample post image

Tsy nangina ny hetsika Nosy Malagasy, hoy ny isan’ireo mpitarika izany, Arlette Ramaroson, omaly.

05-mars-2021

 

 

Toy ny tsy azon’ilay loholona vaovao ny tiana hatongavana hany ka miteniteny foana iny rangahy iny, hoy izy. Ny takiana dia ny hoe tsy hisy idiran’ny Frantsay io nefa ilay loholona mbola miteny hoe mbola hiara-kiasa amin’ny frantsay. Soa fa hisy fikaonan-doha hiarahan’ny manampahaizana rehetra miaraka amin’ny fanjakana ato ho ato momba azy io. Ho avy ireo profesora eny amin’ny oniversite sy ireo akademisianina hiara-kandinika aminay ny momba io resaka nosy Malagasy io. Ny tapataky ny volana aprily any no heritreretina hanatontosana izany. Tadidio fa efa nanome tolo-kevitra izahay hoe miverina amintsika ny nosy ary anarana Malagasy no isalorany kanefa tonga indray ny loholona vaovao dia tsy hainay hoe lalana inona no namoahany hoe lavina ny nataon’ny loholona teo aloha. Aiza izany ny fitohizan’asam-panjakana, hoy hatrany ny hetsika nosy Malagasy ?

 J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap