airtel

Politique

15-juin-2022

Politique

Hetsika politika Omeo alalana izay mahafeno fepetra, hoy ny SYNAD

Sample post image

Nahitsy ny SYNAD (Syndicat National des Adminisitrateurs Civiles) tarihin’ny Filohany Paolo Raholinarivo omaly nanao fanambarana manoloana ny sakantsakana amin’ny hetsika politika,

15-juin-2022

fa tokony havela malalaka hanao izany izay rehetra mahafeno fepetra voarakitry ny ny lalàna na mpanohitra io na mpitondra. Averina ny fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy sy ny tsy fiandanan'ny Administratera sivily, ka mahazo fahazoan-dalana avokoa ireo antoko politika sy ireo rehetra te hanao hetsika ara-politika rehefa mahafeno ireo fepetra, araka ny toromarika tapak'ireo mpikambana ao anatin’ny SYNAD. Melohin’io Sendika io ireo solontenam-panjakana eny ifotony tsy manaiky manome alalana noho ny baiko ara-politika raha toa ka mahafeno fepetra ny hetsika. Tsy tokony hiandany amin’ny politika ny administrateera sivily, ary nahitsy i Paolo Raholinarivo nilaza fa misy ny tsindry ara-politika sy ny fitsabahana ara-politika, izay toherina marindrano. Tsy tokony hanatrika afatsy ireo lanom-panjakana ofisialy araka ny lalana intsony manomboka izao ireo Administratera sivily, hoy hatrany ny toromarika. Momba ny fitantanana firenena, nilaza ny SYNAD fa mila ampiharina ny lalàmpanorenana amin'ny famerenana ireo rafitra ara-dalàna ka hanaovana fifidianana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tahaka ny Governora, izay lasa manitsaka andraikitra amin'izao fotoana izao. Eken'ny SYNAD kosa ny hametrahana ny fitsarana manokana momba ny fananantany. Mila jerena manokana kosa ny mikasika ny fampidirana am-ponja mandeha ho azy na “MD systématique” ataon'ny fitsarana, hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap