airtel

Politique

24-août-2021

Politique

Hetsika politika tany Frantsa Nijoboka indray ny fitondrana Rajoelina

Sample post image

Io miharihary any Frantsa io aloha ny endrika maneho sy mampiharihary ny tsy fitovian-kevitra ara-politika misy aty Madagasikara.

24-août-2021

 Azo raisina amin’ny endriny miabo ihany koa ho endriky ny demokrasia. Nanao hetsika maneho ny tsy fankasitrahany ny Fanjakana ankehitriny tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ny Diaspora RMDM, izay nandefa fangatahana ho afaka hanatrika fihaonana ataon’ny Filoha amin’ireo Malagasy any Frantsa amin’ny sabotsy izao, saingy tratry ny valin-kafatry ny Masoivoho Malagasy any an-toerana, fa efa nifarana ny fisoratana anarana. Lojika ny mety fandavana ho an’ny mpitondra satria laza voninahitra no tadiaviny any, ary tsy hampiditra olona hanakiana azy ao izany izy. Raha aty Madagasikara aza io zavatra ataon’ny RMDM Diaspora io tena azo antoka 100% fa mety efa nosamborina sy nogadraina ny mpitarika. Toa efa zary lasa fomba fanao any amin’ny firenen-dehibe io fihetsiky ny mpila ravinahitra io. Vao ny faran’ny herinandro teo, ohatra, no nisy ny hetsika nataon’ny teratany Afghans mitsoa-ponenana any Frantsa, naneho ny fanoherany sy tsy fankasitrahany ny Taliban izay nandrombaka fahefana any Afghanistan. Malalaka ny fanehoan-kevitra any fa tsy toy ny aty amintsika. Nanana ny hambom-pony ny Fitondrana, ka dia mba nanetsika ny olona ihany koa tany Frantsa. Efa nivatsy sora-baventy sy fitaovana samihafa. Lojika ary fanao izany, saingy nijoboka sy nidi-kizo ihany anefa amin’ny lafiny iray. Raha olon-tsotra na fikambanana tsotra na antoko politika,… tsy olana, fa ny zava-doza, dia nampidirina tao anatin’ny hetsika ireo olona manana andraikitra ambony ara-panjakana. Tafiditra tao anatin’izany ny Minisitry ny raharaham-bahiny izay Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy, olona ambony eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika,... Azo adika avy hatrany ho fitanilàna politika io, tsy fanajana ny etika sy ny deontolojia amin’ny fitazonana andraikitra ambony ara-panjakana, ary tsy andraikitra tsotra fa saropady. Rehefa lany ny Filoha, dia tsy hoe Filohan’ny TGV-MAPAR-IRD fotsiny, ary teniny io nandritra ny valan-dresaka nataony ny 8 aogositra teo. Tokony ho fitaratra amin’izany ihany koa ireo olony satria tsy minisitry ny TGV-MAPAR no anarana hoentiny, fa Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy. Mbola tsy niova ihany koa ny lalàmpanorenan’ny Repoblika V tamin’ny 2010 izay milaza ao anatin’ny andininy faha-39 fa “ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandaniana ara-politika amin’ny Fitondran-draharaham-panjakana,…”.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap