airtel

Politique

07-déc-2021

Politique

Hivalona indray ny 2021 Tsy mety teraka ny orinasa Gascar, ozinina ethanol

Sample post image

Mivalombalona ny volana sy ny taona, fa mbola tsy hita misongasonga kosa ny taratr’ireo tetikasa sasany nanaovana kisehoseho goavana teto Madagasikara.

07-déc-2021

Misy tamin’izy ireny no efa tany amin’ny 11 taona lasa toy ilay Tramway nambara fa efa any anaty sambo sy ilay ozinina fanamboarana simenitra na “cimenterie”, ka ity farany moa no lazaina fa efa mandeha indray, hono, ny dingana fanatanterahana azy, ary hipetraka alohan’ny fiafaran’ny taom-piasana amin’ny 2023. Hivalona ihany koa ity ny taona 2021 fa mbola tsy hita soritra mandrak’androany kanefa ny 24 jona 2020 no nanaovana kisehoseho tapitr’ohatra nivoizana ny hoe: fiara vita Malagasy ho mariky ny fiandrianam-pirenena satria nialohan’ny faha-26 jona rahateo moa no nanaovana ny fampahafantarana ofisialy. Nambara fa hisokatra mialohan’ny faran’ny taona 2020 saingy ny 2021 aza ity io iaraha-mahita io fa hifarana kanefa tsy hita ihany izay teo. Toy izany ihany koa ny tetezana mitsingevana na “fly over” eny Anosizato sy Andohatapenaka,… Ny coronavirus hatrany angamba izany no hanilihana kanefa dia tao anatin’ny vanim-potoanan’ny valanaretina no niresahana an’io, izany hoe tokony ho efa voalanjalanja. Ny ozinina fanamboarana Ethanol moa dia ny 8 martsa 2019 nonametrahana vato fototra tany Ambilobe, ary nolazaina fa ho vita ny 8 desambra 2019 raha ny takelaka sy “maquette” momba ny asa. Tsy tahotra tsy henatra ny an’ny Filoha Rajoelina nilaza ny volana novambra teo, fa handeha ny tetikasa “bio-éthanol” izay efa natomboka saingy tsy tanteraka noho ny coronavirus. Efa nisy an’io valanaretina io angaha ny martsa-desambra 2019? Tsy terena na novozonina ny Filoha sy ny ekipany hampanantena sy manome fe-potoana, saingy aty aoriana dia mitady zavatra hanilihana hatrany toa maneho fa tsy manana etika, tsy menatra mandainga,… Mbola mety ho avo 100% anefa ny toy ireny, raha dinihina amin’ny tenin’ny mpandinika fiarahamonina iray izay naneho, fa handeha ny fivarotana nofinofy tsy ho tanteraka. Ny vahoaka anefa mahantra, tsy ampy fahalalana, tsy ampy fandalinana,… ka vokisana sy fitahina amina fampanofisofisana arahina fizaram-bola sy zavatra tsy mahavita taona.
Toky R
Légende: Ny Filoha Rajoelina nampahafantatra ny fanombohan’ny orinasa Gascar ny 24 jona 2020
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap