airtel

Politique

04-déc-2020

Politique

Honoré Rakotomanana “Fitsarana politika ny HCJ”

Sample post image

Ao anatin` ity fivoriana ara-potoana faharoa eny anivon` ny Antenimiera roa

04-déc-2020

 

 

tonta dia anisan` ireo hodinihana ny mahakasika ireo fitoriana tompon`andraikim-panjakana teo aloha izay voarohirohy amin` ny raharaha samihafa toy ny fanodikodinam-bolam-panjakana … nandritra ny naha minisitra azy ireo. Amin` izao fotoana dia inian` ireo mpanao politika sasany afantoka amin` ny resaka valifaty politika ny fampiharana lalàna izay hametrahana tany tan-dalàna. Tsara no manamarika fa “fitsarana politika ny Fitsarana avo (HCJ) ka mazava ho azy raha mpanao politika no henjehina eny amin` ity fitsarana ity fa tsy voatery ho valifaty akory, hoy i Honoré Rakotomanana, loholona no sady mpahay lalàna ary efa filohan’ny HCC teo aloha. Andraikitra efa napetraky ny lalàna izany ary tsy maintsy hajaina. “Any Etazonia ohatra dia tsy maintsy mandalo “chambre des représentants » izay mitovy amin` ny Antenimieram-pirenena ny fiampangana olona ambony iray fa ny azy dia ny loholona no mitsara. Ny solombavambahoaka izany no miampanga ka ny loholona no mitsara . Rafitra maneran-tany io fitsarana io fa raha misy fanitsiana na fanovana lalàmpanorenana dia tokony anjaran`ny komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana (comité national constitutionnel) no hijery an` izay dia hitan` ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny tokony hatsaraina amin` ity fitsarana avo ity raha toa ka fitsarana politika” hoy hatrany i Honoré Rakotomanana. Tsy misy fanitsahana andraikitra satria mamoaka ny fehin-kevitra fampiangana ihany ny ataon ny Antenimieram-pirenena ary ny fitsarana ambony (HCJ) no mitsara amin` ny didy aman-dalàna, araka ny fanazavana.

Marigny A.

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap