airtel

Politique

22-nov-2021

Politique

Iavoloha Nasehon-dRajoelina ny Demokr’Ankizy ilay fiarany

Sample post image

Ireo ankizy notsongaina afaka niresaka sy nametraka fanontaniana tamin’ny Filoha no nasehon’i Andry Rajoelina ny mombamomba ny asany andavanandro,

22-nov-2021

ny tontolon’ny lapam-panjakana eny Iavoloha sy ilay fiara tsy laitram-bala mpitondra azy.Hita ho tena nahaliana ny ankizy ary mety tsy ny ankizy ihany fa ny rehetra mihitsy izany hoe afaka mijery akaiky ny fiarana Filoham-pirenena izany, izay tsy tahaka ny fiara rehetra.Nijery ny ivelany sy ny anatiny ireo ankizy ary dia ny filoham-pirenena moa no nanazava teo.Tsara ho marihina fa fiara vita Amerikanina marika Cadillac Escalade V8, 6.2 litres, manana tanjaka 426 CV izy ity. Manodidina ny 100 000 Euros (400 000 000Ar) ny vidiny iaingana amin’izy io. Hafa mihitsy anefa ny mbola fikirakirana azy ireny ho tsy laitram-bala, izay 500 000 hatramin’ny 1 500 000 Euros, satria orinasa manokana mihitsy no miandraikitra an’io. Raha raisina ho 1 000 000 Euros, ohatra, ny manao an’izay dia mety mahatratra 4,4 miliara ariary ny vidin’ny fiara izany. Sokajian’ny gazetiboky Forbes ho anisan’ireo fiara raitra sy lafo vidy indrindra eto ambonin’ny tany ny Cadillac.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap