airtel

Politique

02-mars-2021

Politique

Iraka 56 hamaha olana any Toliara Tena tsy misy mahavita azy mihitsy ve any ?

Sample post image

Raharaha iray lasa iompanana adihevitra tsy hifankahitana ny momba ny fandaminan-draharaha any Toliara,

02-mars-2021

 

 

 

 

 taorian’ny sakoroka goavana ny faran’ny herinandro teo. Delegasionina mahatratra 56 avy amin’ny Fitondram-panjakana no nigadona tany an-toerana notarihin’ny iraky ny Filoham-pirenena amin’ny alalan’ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, teknisiana 45 handrafitra ny lisitry ny mpianatra tena izy. Natomboka omaly 01 martsa ny fandraketana ireo mpianatra anaty antontan-kevitra manaraka ny teknolojia na “digitalisation” mba hisorohana ny olana amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana, araka ny fampanantenana natao. Hisy fanavaozana izay ho entina hanavaozana ny lisitry ny mpianatra. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny telo andro ny asa fanatanterahana an’ilay lisitra ary hiroso avy hatrany amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, araka ny tatitra. Voalaza fa nandeha fiaramanidina ireo delegasionina mafonja, izay midika fa nandaniana volabe tsy toko tsy forohana. Tena tsy manana olona mahavita azy ve ny ao Toliara hanao ny asa nandamin-draharaha sy ny asa hafa, fa tsy maintsy nitondrana delegasiniona 50 mahery? Tsy misy fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaran’andraikitra mihitsy ve fa tsy maintsy hiandrasana manam-pahefana avy aty ambony vao afaka mamaha olana sy mahavita zavatra? Tsikaritra ihany koa ny fitanilana eo amin’ny fandraisana andraikitra sy famahana olana. Ny tany Toamasina izay nisy aina nafoy mihitsy, saingy tsy dia naharenesana mihitsy hoe misy iraka roa na telo tonga nizaha ifotony, nitondra vahaolana,… fa ny fanadiovan-tenan’ny mpitondra sy fifanomezan-tsiny no betsaka. Satria nahazoana isam-bato ambony tamin’ny fifidianana i Toliara ka tsy maintsy alamina haingana ve? Sa kosa ny iray misy mpiahy fa ny iray tsy misy ?

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap