airtel

Politique

22-janv-2021

Politique

Iza no misaina fampandrosoana ?

Sample post image

Iza izany izao sisa no mbola mba misaina fampandrosoana eto amin’ity firenena ity? 12 taona izay.

22-janv-2021

 

 

 

 Fifanandrinana politika eo amina firehana miisa 2 no tena nibahana ny tontolo politika teto Madagasikara. Teo an-tsefatsefan’izay rehetra izay anefa dia tsy nisy tranga nisongadina ankoatry ny fitotonganan’ny fiainam-pirenena. Nandeha ny tetezamita nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2013. Fiaraha-mitantana no tena nifampitadiavana. Tontosa iny saingy tsy nety nivaha ny krizy. Samy nanana ny kandidany indray ireo mpifanandrina politika miisa 2 nibahana izay 12 taona izay ireo nandritry ny fifidianana filoham-pirenena 2013 rehefa tsy navelan’ny sehatra iraisampirenena, mba tsy hilazana hoe “mpanao ampihimamba iraisam-pirenena” hisy hilatsaka. Lany ny kandida notohanan’ilay nosokajian’izy ireo ho mpanongam-panjakana ary niaraha-nahita ny zava-nisy fa tsy tena nisy fampandrosoam-pirenena tena nivaingana fa famahana ny krizy sy fampandehanan-draharaham-panjakana ankapobeny hatrany no azo nanakonana ny tsy fahafaha-mihetsika. 2 taona sy andro vitsivitsy indray izao no nahazoan’ilay efa avy nosokajian’ilay dradradradraina ho fianakaviambe iraisampirenena ho “mpanongam-panjakana” ny fahefana izay nambaran’izy ireo fa tamin’ny fomba demokratika sy ara-dalana. Vokany, faharoa amin’ny firenena ambaran’izy ireo fa mahantra indrindra isika. Ilay fitondram-panjakana mijoro eto koa mahagaga fa milaza ho mizotra amin’ny fahombiazana hatrany na dia efa mampikaikaika ny vahoakany avokoa aza ny zava-misy rehetra. Toekarena, fanabeazana, kolontsaina sy ny maro hafa, indrindra, ny sosialy, samy marary ! Vao miha marary avo roa heny fara fahakeliny noho ny tany aloha rehetra tany.

J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap