airtel

Politique

27-janv-2021

Politique

James Ratsima sy Arlette Ramaroson « Fa hoentin-dRajoeliana mankaiza ity firenena ity e ? »

Sample post image

Be loatra ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ka tsy zakan’ireo mpikambana

27-janv-2021

 

 

 

 

eo anivon’ny Vomieran’ny Nosy toy an-dRatsima James sy Arlette Ramaroson izay mpahay lalana iraisam-pirenena intsony. Ho entin-dRajoelina aiza ity firenena ity hoy James Ratsima raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy omaly tetsy Anosy. Nambarany tamin’izany fa mody ilay volamena 73 kg tratra no resahina amin’ny vahoaka fa ilay 200 kg efa voandrana tamin’ny andron’ny tetezamita mody tsy resahina mihitsy. Vola be, hoy izy no azon’ity fanjakana mijoro ity tamin’izany ary tsy fantatra izay nanaovany azy. Ny vahoaka Malagasy anefa hoy izy tena vavatakiky tanteraka. Ny vidim-panafody miakatra, ny vary efa hahatratra 900 Ar ny iray kapoaka, mitombo hatrany ny tsy an’asa, izay fananana tokony holovain’ny taranaka eto Madagasikara indray mbola tapitra zarazaraina amin’ireo vahiny. Tena tsy rariny intsony ny zava-misy eto amin’ny firenena hoy hatrany Atoa James Ratsima ka tokony samy ho tonga saina ny maro. Mikasika ilay volamena 73 kg manokana moa dia nomarihiny fa tafiditra ao anatin’io avokoa ny Ray aman-dRenin’ireo mpitondra mivady ankehitriny, tranga izay tena mampalahelo sy mahamenatra tokoa nefa olona tokony ho maodely. Miantso ny CIA araka izany izy mianadahy mianaka ireto mba hijery akaiky ireo resaka volamena naondrana an-tsokosoko ireo. Tsy tokony havotsotra ihany koa hoy Arlette Ramaroson ireo olona efa tratra satria any amin’ireo no tsiambaratelon’ity raharaha ity ary tena ilaina izy ireny. Miandry izay mety ho tohin’ny raharaha araka izany izy ireo raha amin’ny fiandohan’ny volana Febroary ho avy izao kosa no hanatanterahana ny fitsarana raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

 Pati

 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap