airtel

Politique

06-avril-2022

Politique

Jean Eic Rakotoarisoa Nanakiana an-kolaka ny fitondana Rajoelina

Sample post image

Namoaka fanehoan-kevitra misy teboka miisa 3 ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly, tao amin’ny tambazotran-tseraserany.

06-avril-2022

 Tamin’ny teny vahiny no nanaovany azy io, izay raha adika malalaka amin’ny teny Malagasy dia tahaka izao : «Amin’ny Repoblika iray raha mendrika amin’izay anarana maha repoblika izay, ny fandraisana mpiasam-panjakana dia atao miainga amin’ny fahaizana fa tsy hifandovana ; Ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ireo vondrom-bahoaka eny ifotony ary ny sampan-draharaham-panjakana dia aloa ara-potoana fa tsy tokony hisy fahatarana ; Ny famorian-ketra sy haba dia anatin’ny fahefan’ny Fanjakana sy mariky ny fiandrianam-pirenena (Pouvoirs Régaliens) ka tsy azo homena ny sehatra tsy miankina velively». Na tsy voafaritra mazava aza ny tena iantefany, dia mazava be fa miantefa amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina. Ny fandraisana mpiasam-panjakana tsy ny fahaiza-manao intsony no mitondra azy fa ny kiantranoantrano sy ny kihavanavana, hany ka manimba sy mamotika ny raharaham-panjakana, izay miseho amin’ny endriny maro. Tsy takona hafenina ihany koa ny fitakiana amin’ny endriny maro, ny fitarazohan’ny fahazoan’ny mpiasam-panjakana samihafa ny karama sy ny tambin-karamany, izay maro no miditra amin’ny grevy sy fitokonana vao taitra ny Fitondrana. Ahitana anio ny tontolon’ny fampianarana, fitsaboana, orinasam-panjakana,… Fa ny tena zava-doza dia ny resaka fakana sy fikirakirana ny haba sy hetra izay volam-bahoaka. Adihevitra goavana ilay raharaha fananganana ny orinasa SMGD (Société Municipale de Géstion Digitale) izay natsangan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, haka sy hitantana ny haba sy hetra avy amin’ny tsena, fiantsonan’ny fiara, fitaterana,… Nahatezitra ny mpiasam-panjakana miantsoroka ny fanangonana haba sy hetra eo anivon’ny Kaominina io, ary ny mpiasa tsy miankina indray no voalaza fa mibaikobaiko azy ireo, hany ka niteraka fitakiana ny fanafoanana ny SMGD. Ho an’ny SMGD ny 30% amin’ny volam-bahoaka avy hetra sy haba, izay noboriborian’ny ben’ny tanàna fa “sécurisation” ho an’ilay orinasa ny antony satria nisy fampiasam-bola tao, misy fitaovana nananganana azy,… Raha ampifandraisina amin’ny fanehoan-kevitr’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa anefa, fanimbazimbana tanteraka ny fiandrianam-panjakana ity fanomezam-pahefana ny tsy miankina haka ny haba sy ny hetram-bahoaka ity. “Tena sady tsy azo raisina sady tsy mitombina izany io”, raha raisina amin’izay. Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap